Tato ho ato, tsy hay na vokatry ny hafanana midangana loatra na aretina mitaiza no mihetsika tampoka na noho ny hanoanana, fa maro ny olona safotra eny an-dalana amin’izao, ary matetika dia vehivavy avokoa. Ny matory an’arabe vokatry ny hamamoana noho ny toaka tsy lazaina intsony.
Omaly antoandro tany Toliara, vehivavy lehibe iray 57 taona avy naka ny zafiny nianatra handeha hody no torana niakarapoka teny an-dalana. Ity zafikeliny niaraka taminy nikiakiaka sy niantso vonjy no nahataitra ny manodidina. Noezahina novelomina ary nisy tamin’ireo nanatri-maso no nihevitra fa voan’ny androbe ity ramatoa ity, ka naka zava-maitso ary nanimpy izany teny aminy, satria nifotafota nivoaka faroratra fotsy ny vavany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.