Nahitana olona maty indray tao Mahazoarivo Antsirabe ny atoandron’ny alakamisy 23 novambra 2017 lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany.
Ramatoa manodidina ny 60 taona izy io, mirenireny ary mangataka no ataony. Nambaran’ireo manodidina fa ny maraina dia mbola hitan’ny olona niankin-drindrina tsy lavitra io toerana nahafatesany io izy, ary efa roa andro no nijanonany teo. Voalaza fa hitan’ny olona tsara ny nikodiavany teo amin’ilay toerana nisy azy saingy tsy taitra ny maro raha tsy ora maromaro taty aoriana. Mamo foana mantsy izy. Nambaran-dRtoa Raveloarisoa, lefitry ny sefom-pokontany fa avy any amin’ny fokontany atsinanan’Ivohitra no fiaviany. Manan-katao ihany ny sasany amin’ireo zanany 8 mianadahy. Tombanan’ny maro fa matin’ny toaka ity ramatoa ity. Izay vola azony mantsy dia hividianany toaka sy tsaky be sakay hatrany fa tsy mba sakafo. Mbola nisy vola nofihininy teny an-tanany tamin’ny nahitana ny razana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.