Tato anatin’ny herinandro, mirongatra ny lafiny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fokontany Tsimenatse I-Ouest Toliara. Ramatoa iray 45 taona no naolana lehilahy iray 35 taona mamon-drongony tao an-tranony, ny alin’ny alatsinainy
hifoha talata teo, tamin’ny roa ora maraina. Torana ity vehivavy ity noho ny daroka sy vono mafy nihatra taminy. Mbola nodoran’ilay mpanolana ny vatany iray manontolo. Ora roa taty aoriana vao nahatsiaro tena, ary afaka niantso vonjy ihany na dia notapenan’ilay mpanolana sady nokendaina. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe ny tenany amin’izao. Mivindana tarehiny, mangana ny vatany iray manontolo.
Mpivarotra rongony sady mpimasin’ny dahalo
Raha ny vaovao voaray dia havan’ity ramatoa niharan’ny herisetra ara-nofo ity ihany ilay lehilahy nanolana azy, ka tsy nisalasala ny tenany niara-nirevy taminy sy ny namany iray sarimbavy tamin’io alina io. Rehefa lasa ilay pelaka dia nanamparan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny sady novonoiny raha nanohitra azy ilay ramatoa voaolana. Raha ny loharanom-bao akaiky ny mpitandro filaminana dia mpimasy mpanome ody dahalo sady mpivarotra rongony ity lehilahy mpanolana voasambotra hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.