Tsy misy firenena milamina raha tsy milamina ny fiainan’ny mpiasa ao aminy, hoy Ramamonjisoa Florentin mpandrindra nasionalin'ny Fiaraha-Mientan'ny Mpiasam-panjakana Malagasy.
Tsy hilamina anefa izany raha tsy ampiharin’ny fanjakana ny “alignement” sy ny “grille indiciaire” vaovaon’ny mpiasam-panjakana. Sahinay ny milaza, hoy ity Sendikalista ity, fa rehefa tsy manao an’ireo ny fitondram-panjakana dia … Hatreto mantsy, hoy ihany Atoa Ramamonjisoa Florentin, dia tsy nanatanteraka n’inona n’inona ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina na dia efa nampanantenaina aza tamin’ny taona 2014 fa hovitainy amin’ity taona 2015 ity io fanovana an’io satan’ny mpiasam-panjakana io. Mila hampitoviana ny marikaraman’ny mpiasam-panjakana mitovy marim-pahaizana ka foanana izany sata manokana izany. Ny hany niova hatreto, hoy izy, dia ny fanovana sokajy nampitondraina ny mpiasam-panjakana izay tamin’ny litera A, B,C,D tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany lasa “Catégorie” 1,2,3,4,5,6,7,8,9,10 taty amin’ny Repoblika faharoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.