Actualités

Ralitera Etienne Afaka mivoaka ny fonja amin’izay ?


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010


“Tapitra ny 6 novambra lasa teo ny fotoana tokony ho nitazonana am-ponja an’ingahy Ralitera sy ireo namany 4. Tsy misy taratasy hafa milaza fa tokony mbola higadra izy ireo”, hoy Rtoa Ihanta Randriamandranto sy ny namany. Raha ny fanazavana anefa dia mbola eo anivon’ny fitsarana ambony ireo antontan-taratasy kanefa efa tokony ho tonga eny anivon’ny ‘chambre d’accusation’. “Tsy misy zavatra ara-dalàna intsony ary amboletra avokoa no ao amin’ny fitsarana kanefa efa tokony ho afaka mivoaka izy ireo”, hoy ihany izy nanamafy. Fantatra moa fa tsy hijanona amin’izay izy ireo fa hiakatra ambonibony kokoa. Raha tsiahivina dia ny 6 mey 2009 no nanomboka notazonina teny am-ponja ry Ralitera sy ireo efa-dahy hafa. Fanakorontanana filaminam-bahoaka, fihazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, famonoana olona, raha tsy hiteny afa tsy ireo no iampangana azy ireo. Efa nisy moa tatitra an-tsoratra na PV nalefan’ny lehiben’ny fandraharahan’ny fonja ho an’ny eo anivon’ny fitsarana momba ny fihazonana an-dRalitera sy ny namany.  

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT