Actualités

Rakotovao Vyvato, minisitra teo aloha Dosie maro hadihadian’ny Bianco momba azy


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Misy raharaha telo izay samy goavana momba ny fitantanan-dRakotovao Vyvato tao amin’ny Ministeran’ny fambolena fony izy minisitra no anaovan’ny Bianco fanadihadiana lalina amin’izao.

 Voalohany ny fampidirana mpiasa tsy manaraka ny fenitra. Nandritra ny fotoana naha minisitra ity Sekretera jeneralin’ny TIM Raharinaivo ity dia nampidiriny mpiasam-panjakana ny mpikambana tao amin’ny kabinetrany tokony ho 10 teo. Araka ny fanamarinana natao teo anivon’ny Ministera dia tafiditra ara-dalàna lasa «FA» ny sekreterany manokana miisa roa sy mpanolotsaina ihany koa izay tsy voafaritra ny isany. Ankoatra ireo dia misy mpiasa 132 hafa saika hataony mpiasan’ny Ministeran’ny fambolena ihany koa. Tsy voatana tamin’io andraikitra intsony anefa ny tenany rehefa natsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena ka Atoa Ravatomanga Roland izay natolotry ny ankolafy Ravalomanana no nisolo toerana azy ary mbola ao hatramin’izao.

Naaton’ity farany avy hatrany ilay fandraisana mpiasa faobe raha vao nandray asa ny tenany, araka ny loharanom-baovao marim-pototra ihany. Saika tsy ampandalovina fanadinana akory mantsy ireo olona ireo fa hampidirina amin’izao fotsiny. Nisy tamin’izy 132 ireo no nitory teny amin’ny Bianco rehefa nahatsiaro ho voafitaka. Momba ireo traktera kosa indray ny dosie faharoa momba azy izay efa eny anivon’ny Bianco ihany koa ny raharaha amin’izao. Fony izy minisitra dia misy tamin’ireo traktera avy any Inde no namidy tamin’ny mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.

Rehefa nohamarihina anefa dia tsy manaraka ny fenitra momba ny fifampivarotana ara-panjakana ny antontan-taratasy sasany satria sady tsy misy fifanarahana teo amin’ny mpividy sy mpivarotra no tsy voalaza koa ny vola aloan’ny mpividy tsikelikely amin’ny alalan’ny “traite”. Nanangana vaomiera manokana manadihady ity raharaha faharoa ity miaraka amin’ny Bianco ny ministeran’ny fambolena. “Mbola ao anatin’ny fanadihadiana izao saingy efa fantatra fa misy traktera 30 mahery eo misy tsy mazava ny namarotana azy”, araka ilay loharanom-baovao avy amin’ity Ministera ity ihany. Raharaha fahatelo anenjehana ity minisitra teo aloha ity ny fanjavonan’ny fanaka tao amin’ny trano fonenany izay fananam-panjakana rehefa nesorina izy. Foana tanteraka mantsy ilay trano natokana ho an’ny Minisitry ny fambolena eny Ampasampito vao lasa izy kanefa fanaka vaovao vao novidiana avokoa ny ankamaroany tao ary mitentina an-tapitrisany maro. Andrasana izay tohin’ny raharaha.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT