Actualités

Rakotovao Mariot «Tsy maintsy ampiharina ny lalŕna»


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Nanao fivoriana maika niaraka tamin’ireo mpikambana teo anivon’ny Emmo-Reg, nahitana ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila tao amin’ny biraony, sy ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina I, ny PDS-n’ny kaominin’i Toamasina Rakotovao Mariot, ny tolakandron’ny zava-niseho, raha avy nihidy an-trano nandritra ny fitrangan-javatra rehetra.

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ity fivoriana natao ity, ka fantatra izao fa anio maraina dia hisy ny fihaonana sy fivoriana hiarahan’ny izy ireo manao, miaraka amin’ny solontena 05 avy amin’ny jokers sy ny tompona posy, sy 03 avy amin’ny fikambanana posy ao Toamasina. Mandritra ity fihaonana ity no hitadiavana ny marimaritra hiraisana mikasika ny fampianarana ny lalàna napetraky ny Kaominina momba ny fifamoivoizan’ireo posy sy posy bisikileta ireo ao Toamasina.

Araka ny fanazavana nataon’ny PDS Rakotovao Mariot dia “tsy maintsy hampiharina ny lalàna misy. Tsy azo ekena ny gaboraraka. Mitatao ny loza satria ny lozam-pifamoivoizana 04 amin’ny 05 mitranga dia vokatry ny posy bisikileta avokoa, ary ny 90%-n’ny jokers dia sady tsy ara-dalàna no tsy mahalala akory ny tanàna ary latsaky ny 18 taona sy maherin’ny 60 taona”. Ankoatra izay, mialoha ny hanombohan’ny fivoriana anio ity, dia tsy maintsy averina amin’ny tompony tsy andoavana onitra ireo posy nalain’ny polisy monisipaly tao anatin’ny telo andro nanaovana ny “opération”. Ny zavatra tapaka amin’ity fivoriana ity no hamaritra ny fe-potoana haharetan’ny fampiatoana ilay lalàna tapaky ny kaominina. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT