Actualités

Rakotondrainibe Charles Alfred Ho mandrakizay ny haha Fanalamanga an’i Fanalamanga


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Nohamafisin’Atoa Rakotondrainibe Charles Alfred « Directeur de l’Exploitation et de la Planification ao amin’ny orinasa Fanalamanga teny amin’ny biraom-pifandraisan’ity orinasa ity teny Nanisana Antananarivo,

 

tamin’ny fitafana fohy tamin’ny mpanao gazety omaly talata 05 martsa 2019 fa diso tanteraka ilay filazana miely etsy sy eroa fa tsy misy afa-tsy 3000 ha sisa ny ala  any Antsirinala. Tafiditra ao anatin’ny Périmètre de reboisement et restauration de Mangoro mirefy 200.000 ha izay tsy voatety mihitsy fa haseho an-tsary amin’ny « Image satellite » ny ala  Pins sy ala Eucalyptus mirefy 140.000 ha tantanan’ny orinasa Fanalamanga ankehitriny. Mandrakizay ny haha Fanalamanga an’i Fanalamanga, hoy ity Tale ity, ary tsy ho lany ny ala ao anatiny  raha hampiharin’ny mpitondra hifandimby hatrany ny « mesure d’accompagnement » miisa roa izay efa novolavolainay mpitantanana ankehitriny tamin’ny fanarenanay an’ity orinasa ity nanomboka tamin’ny 2014-2015 dia ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny « officier judiciare » ao Antsirinala sy ny mpiasan’ny Fanalamanga manodidina ny 1500 ankehitriny (900 mpiasa raikitra ary 600 « equivalent permanant » ihany koa. Faharoa dia mila harindra tsara hifanaraka amin’ny « plan d’amenagement » hifampanolosoloana ny fambolena sy fitrandrahana mirindra sy maharitra ny « Parcelle 24 » ny ala ao Antsirinala.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT