Nodimandry teo amin'ny faha-71 taonany omaly alarobia 21 febroary tokony ho tamin'ny 4 ora maraina tany Morondava ny minisitry ny filaminana anatiny tamin’ny andron’ny tetezamita Rakotomihantarizaka Rémy Sylvain Organès.
Nandevina ny rafozany no anton-diany tany Morondava raha ny fanampim-baovao. Nianjera tao amin’ny trano fidiovana (douche) ny tenany, ka tsy nahatsiaro tena noho ny dona nahazo azy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tana intsony ny ainy. Ny 03 febroary lasa teo dia mbola niara-nifety sy nikorana tamin’ny Terak’i Betsileo teny amin’ny hotely A§C Ivato ny tenany, ary iny no nahitana azy farany niteny tamin’ny haino aman-jery. Raha ny ambangovangon’ny tantarany teo amin’ny sehatra politika, dia efa voatendry ho senatera izy tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Somary nalaza kokoa tamin’ny ireny raharaha 2009 nisian’ny fanonganam-panjana notarihin’i Andry Rajoelina ireny. Tsaroan’ny rehetra tsara ny fakana minisitera nandritra ireny raharaha 2009 ireny ka anisan’ny tazana tamin’izany ity minisitry ny polisy ity.Ampahany amin’ireo tantara nahalalana azy izany raha ny sehatra politika, fa ny azo hamintinana azy ankoatra izay, dia olobe teo anivon’ny polisim-pirenena ny tenany, ary efa nitana andraikitra maro lafy teto amin’ny firenena ihany koa. Eny Andranoro Antehiroka no handrasana ny vatana mangatsikany mialoha ny handevenana azy any amin'ny fasan-drazany any Ambatofinandrahana. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’Itompokolahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.