Actualités

Rakotomanana Honoré Nihaona tamin’ny solontenan’ny FNUAP


  • Sabotsy 17 Jona 2017


 

 Ho fanamafisana ny  fiaraha-miasa  efa misy eo amin’ny FNUAP tahirin’ny firenena mikambana misahana ny mponina sy ireo parlemantera eo anivon’ny antenimierandoholona Malagasy, dia tonga nitsidika ny filohany  Rakotomanana Honoré,  tetsy Anosikely omaly ny solontenan’ny FNUAP eto Madagasikara Atoa Costant-Serge Bounda. Niompana   tamin’ny fangatahana fiahiana na “ parrainage”an’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny  andro iray hanaovana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny mponina  eto Madagasikara, indrindra fa ny tanora sy ny vehivavy izay hokarakarain’ny FNUAP eto Antananarivo atsy ho atsy  ny fihaonana roa tonta. Horesahana amin’io vanim-potoana io ny mikasika ny fitaizana  ny tanora sy  ny vehivavy.  Ny fandraisana anjaran’ ny antenimierandoholona, indrindra fa ireo vehivavy Parlemantera no tanjona  iray lehibe hanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, araka ny resaka nifanaovana.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT