Raikitra izany ny filaharam-be hataon’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” anio alatsinainy. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, dia efa niparitaka tao Toamasina ny trakta sy ny fiara misy fanamafisam-peo nitety tanŕna ary asa sosialy samy hafa, nataon’izy ireo. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Rakotomalala Henri, mikasika ny anton’izao hetsika ataon’izy ireo izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona marina ity hetsika “Tsy misy miala aketo niany” ity ?
Rakotomalala Henri (Riri Be) : Tsy fikambanana fa vovonana itambaran’ireo manana olana rehetra eto Toamasina io. Mahatsapa izahay manoloana ireo tsindrihazolena mahazo ny mpiara-belona, fa ambivitra ny fipoahana ara-tsosialy raha tsy voavaha haingana. Ny mahagaga anay anefa raha ny raharaha Ambatovy, dia miala bala ny lehiben’ny Faritra fa tsy misy hidirany, hono, ny olana nefa dia izy no voalaza fa mpitarika ny sehatra fanaraha-maso mikasika ny fampidirana mpiasa sy ny mikasika ny asa ho an’ny zanak’i Toamasina eo anivon’ity Tetikasa Ambatovy.
TT : Izay izany no mahatonga anareo mitaky ny fanalana ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ?
Riri Be : Aminay dia ny lehiben’ny Faritra Atsinanana no mpamono afo mikasika ny fitakianay, tsy fantatra na inona no tombontsoa arovany ao fa mba mahagaga anay ihany raha izy antenaina hanampy hamaha ny olana indray no mandrava sy tsy mitsinjo ny tanora tsy an’asa sy miezaka mitaky ny zony. Tsy ny hetsika misy anay ihany no mitaky ny fanalana sy ny fanoloana ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, fa ny vahoaka Malagasy ao Toamasina mihitsy. Mila lehiben’ny faritra vaovao ny Faritra Atsinanana mba handamina ny olana sy hanatanteraka ny fifanarahana natao mba tsy ho tonga amin’ny fipoahana ara-tsosialy vao samy ho tonga saina eto.
TT : Vahaolana ve ny fanalana ny lehiben’ny Faritra ?
Riri Be : Mihevitra ny lehiben’ny Faritra sy ny ekipany fa mety ireny nataony ireny, nefa raha ny fitarainan’ny vahoaka voarainay dia hatezerana ny azy ireo, ka tena rariny sy hitsiny ny hetsika ho fanoloana azy izao. Tokony hanaiky ny hetsi-bahoaka koa izy raha tena demokraty. Tsoriko aloha, fa tsy tetikasa ambatovy no ratsy, fa ireo mpitondra fanjakana tokony handamina ny raharaha no manodina ny marina, ka zaran’ilay orinasa aza fa vola tsy miala ho azy izany na sahirana ireo mpiasa.
TT : Inona ary ho hidiran’ny fanakatonana an’Ambatovy amin’ny hetsika ataonareo ?
Riri Be : Tsy fanakatonana ny orinasa Ambatovy no hataonay amin’ny fidinana an-dalambe fa ho fanairina sy hanateranay antontan-taratasy fangahatana mba hisian’ny latabatra boribory handaminana ny raharaha faran’izay haingana, zo rahateo no takianay. Hetsika milamina no hataonay, voafehinay ny mpiara-dia aminay ka tsy tokony hatahotra ny mponin’i Toamasina amin’ireo feo aely hanaratsiana anay ho mpanakorontana sy mpanao sakoroka eto Toamasina.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.