Actualités

Rakitry ny ela Malagasy Ilaina avadika ho tahiry nomerika


  • Zoma 27 Novambra 2015

Efa mihasimba sy vasoky ny andro avokoa ireo rakitry ny ela Malagasy mitahiry ny tantaran’i Madagasikara hatramin’ny taonjato faha-16 tsy fantatry ny mpiray tanindrazana ny fisian’izy ireo.

 

 

 Azo atao tsara anefa ny manavao ireo sary sy taosaritany Malagasy fananan’ny ivon-toeram-panovozan’ny Akademia Malagasy madiodio teo anelanelan’ny 1865 hatramin’ny 1967, araka ny fikarohana notohanan-dRabotovaoarinosy Paliara mikasika ny lohahevitra «Dématérialisation du fonds iconographique du Centre de Documentation». Vahaolana ny famadihana ireo vakoka tsy be mpahalala ireo ao anaty solosaina ho lasa tahiry nomerika miampy ireo teny fanoroana miavaka hanamorana ny fikirakirana izay atao. Tafiditra indrindra amin’ny iraka goavana sahanin’ny Akademiam-pirenena Malagasy izay takona hatramin’izao moa ny fampahafantarana ireo lovantsaina samihafa voarakitra ao anatin’ny kolontsaina Malagasy izay nezahin’ity injeniera Malagasy voalohany eo amin’ny seha-piofanana «Ingénierie Documentaire» ity fohazina ankehitriny. Mahatratra 2.400 ireo sary ary miisa 300 ireo taosarintany tsy manam-paharoa mila avadika ho tahiry nomerika ireo. Mitentina 140 tapitrisa ariary kosa ny vola ilaina amin’ny fanatontosana ny asa rehetra ho lova ho an’ireo taranaka Malagasy.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT