Actualités

Rajaonarivelo Renée Nanao asa sosialy tao Toamasina


  • Talata 26 Oktobra 2010


Nanatanteraka asa sosialy tao Toamasina Rtoa Rajaonarivelo Renée, vadin’i Pierrot Rajaonarivelo, nandritra ny fandalovany tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nitondrany fanampiana ny sekoly tsy miankina “Le jardin fleuri” sy ny Akany Mandresy samy ao Tanambao V ary ny Akanin’ny masera mpitaiza zaza kamboty “Sainte Madeleine”.

Fitaovam-pianarana samihafa no natolony tamin’izany. Nisy koa ireo biskitra samihafa avy amin’ny malala-tanana nanampy. Niampy vary kosa izany ho an’ny Akany fitaizana zaza kamboty niisa roa ireo ho fanohanana ara-tsakafo ireo zaza sy ankizy ary tanora beazina ao. Nambaran-dRtoa Rajaonarivelo Renée fa “tsy vao sambany ny fanampiana ara-tsosialy nataoko izao ataoko izao, fa efa nisy ny tahaka izao tao Antananarivo tamina sekoly sy Akany niisa telo. Telo no tratra teto Toamasina ary mbola hotohizana tsy ho ela izany”. Iaraha-mahita ity krizy izay nahasahirana ny ray aman-dreny ity, hoy izy ka nofidiana manokana ny kojakojam-pianarana. Taorian’Antananarivo sy Toamasina dia hitodi-doha tsy ho ela any Fianarantsoa sy ny Faritra Atsimo Atsinanana ny tenany sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Hitondra fanampiana sy fitaovam-pianarana koa ho an’ireo sekoly sy Akany miandrandra izany any an-toerana.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT