Actualités

Rajaonarison Charli Hyacinthe Vita hatreo ny «permis» vorontsiloza


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Nahazo mpitantana vaovao ny “Centre Immatriculateur d’Antananarivo” etsy Ambohidahy.

 Nandray ny asany nanomboka ny alatsinainy 20 aogositra teo araka ny didy fanendren’ny minisitry ny atitany azy tamin’ny 8 aogositra 2012 ny administratera sivily, Rajaonarison Charli Hyacinthe. Olona manana traikefa ny lehilahy satria efa 19 taona niasana teo amin’ny sehatry ny asam-panjakana ary tsy vahiny amin’ity andraikitra hosahaniny ity satria efa «chef de division» tao. Ny hanatsara ny asa eto no himasoako voalohany ka hotohizana izay tsara natao teo aloha ary harenina kosa ny lesoka, hoy izy.

Anisan’ny iraka voalohany hotanterahiko, hoy Rajaonarisona Charli ny hanafoana ny «Permis » vorontsiloza ary ho ao anatin’ny fotoana fohy izany. Nomarihany fa tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha sahanin’ny ministeran’ny atitany izao fanovana mpitantana ao amin’ny «Centre immatriculateur d’Antananarivo» izao. Nomarihany ihany koa anefa fa tsy mbola ao amin’ny birao tokony hiasany izy ankehitriny no manatanteraka ny andraikiny. Mbola any amin’ilay dimbiasany toerana mantsy ny lakilen’ny biraon’ny sefo sy ny fiara manokana famitan-draharaha. Tsy mbola nanaiky ny fanendrena ity farany ka tsy tonga nanao famindran-draharaha tokony ho natao ny marainan’ny alatsinainy 20 aogositra. Ny asa anefa tsy afaka miandry !

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT