Niresaka sy nidinika nandritra ny 20 minitra teo ho eo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha tamin’ireo ankizy enina mianadahy nisolotena ny ankizy manerana ny nosy omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina ho fanamarihana ny andro eran-tany momba ny ankizy.
Nifanakalo hevitra sy niresaka ny zava-misy momba ny fiainan’ny ankizy ny roa tonta. Nanamafy ny filoham-pirenena fa ny ankizy no ho tompon’ny hoavy ary ho lasa lehibe sy ho tompon’andraikitra hitantana ny firenena atsy ho atsy. Afaka niteny izay eritreriny sy ny fomba fijeriny ny zava-misy tamin’ny filoham-pirenena moa izy enina mianadahy teny Iavoloha omaly. Hahatsiarovana ny daty nandanian’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy sy ny fifanarahana mifandraika amin’izany ny datin’ny 20 novambra. Afaka mihaino sy miresaka amin’ny rehetra aho, indrindra fa ny ankizy, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.