Actualités

Rajaonarimampianina Hanao asa maro any amin’ny faritra Zafimaniry


  • Talata 16 Janoary 2018

Ny faritra misy ny mponina Zafimaniry no toerana nanombohan’ny filoham-pirenena ny fitsidihana ofisialy ivelan’ny renivohitra tamin’ity taona 2018 ity.

 

 Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny mponina sy ny manam-pahefana tao Ambohimitombo ny filoham-pirenena, ka nanolotra drafitra fanarenana misahana sehatra maromaro izy. Noho ny ampahan’ny vahoaka Zafimaniry izay miompana amin’ny fambolena fary ankehitriny dia voaresaka tamin’izany ny famokarana « ethanol », izay hampihena ny famongarana ny ala atao kitay, ary hamokatra angovo ho an’ireo milina hampiasain’ireo mpiofana ho mpanao asa tanana. Sehatra iray voaresaka tao ihany koa ny fampiofanana mpitarika mpizahatany ao amin’ny tanàna Zafimaniry mba hanome aina vaovao ny vokatra ao an-toerana. Eo ihany koa ny fisian’ny rian-dranon’i Tazonana izay afaka mamokatra hatramin’ny 8 MW raha ny vina lavitra no resahina. Maika avokoa ny asa fanarenana ao amin’ny faritra Zafimaniry, ka noho izany dia nanome baiko ny filoha Rajaonarimampianina mba hampiasaina ao an-toerana ny fitaovan’ny BNGRC amin’iny faritra iny mba hanombohana avy hatrany ny asa, toy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambositra sy Ambohimitombo renivohitra Zafimaniry. Tsara ny manamarika fa kilasian’ny UNESCO ho vakoka tsy azo tsapain-tanana ny asa tanana sy ny kolontsaina Zafimaniry, izay mampiavaka an’i Madagasikara ary fanta-daza maneran-tany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT