Renim-pianakaviana mitantana ny orinasa BHL sy mpikambana amina tambajotra lehibe EFOI mampiray vehivavy mpamorona sy mpitantana orinasa eto Madagasikara no natolotry ny fikambanana MamelaSoa ho kandidŕ ben’ny tanŕna eny Ambohimanga Rova.
Nifamotoana tamin’ireo olona niisa 150 nasaina manokana avy amin’ny fokontany 22 eny amin’ny kaominina Ambohimanga Rova sy ireo kandidà mpanolotsaina namany niisa 9 avy amin’ny fokontany Ambohimanga Rova, Amoronkady, Anosiarivo, Ambohidahy, Ambohimandroso, Ambohimarina ary Vakinampasika sy ireo raiamandreny samihafa toy ny raiamandreny am-panahy Pasitera Joseph, ny filoham-boninahitry ny fikambanana MamelaSoa Atoa Razafindratsira sy ireo raiamandreny nitaiza azy dia Atoa Ratrema William mivady, ny kandidà tsy miankina Railovy Andrianavalona izay natolotry ny fikambanana MamelaSoa tarihany. Samy nanolotra tso-drano ho an’ity kandidà nilaza ho vonona hanolotra valim-babena mendrika ny kaominina nahalatsahan’ny tavoniny ity ireo raiamandreny samihafa voatonona ireo. Amin’ny maha zanak’Ambohimanga Rova ahy indrindra no nampaharisika ahy hirotsaka hofidiana, hoy izy, ary koa hahazoana manatanteraka ny hetaheta mavaivay ao anatiko dia ny famohazana ny maha Malagasy sy ny maha zanak’Ambohimanga Rova ny tena. Resy lahatra ny tenako, hoy izy, fa afaka mitondra hevitra sy fomba fitantanana hisokafan’ny tanànan’Ambohimanga hiarahany mandroso amin’ny tanàn-dehibe hafa ka hisandratany. Maniry ny hanatsara ny toeram-panabeazana eny Ambohimanga Rova ity andriambavilanita ity, ny toeram-pahasalamana, ny fomba fiharian-karena sy fizahantany, ny tontolo iainana sy ny fandriampahalemana. Nomarihan’ny Pasitera Joseph avy eny Amboara manokana fa nomen’Andriamanitra antsika araka ny talenta ananan’ny tsirairay ny asa toy ny maha ben’ny tanàna ka tokony hatao amin’ny fo sy am-pitiavana fa tsy atao amin’ny fiarovana olon-tokana ka lasa alasafay izay tsy azo antoka ny ahazoana vokatra tsara aminy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.