Actualités

Raikitra ny bakalôrea 2015 Efa naparitaka ny laza adina, 166.988 ny mpiadina


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Raikitra fa dia hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 21 aogositra 2015 araka ny daty voatondro ny fanadinana bakalôrea ankapobeny sy ny andiany voalohany ho an’ny sokajy teknika

 

. Ny 24 ka hatramin’ny 27 aogositra ny andiany faharoa ho an’ny sokajy teknika ihany. Miisa 166.988 ireo mpiadina manerana ny Nosy izay hitsinjara amina foibem-panadinana miisa 252 ka ireo nisafidy ny sokajy A2 no maro an’isa indrindra satria dia mahatratra 40 % izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny fampianarana ambaratonga ambony, ny Pr Randrianambinina Blanchard. 11 taona no zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, raha 72 taona kosa no zokiny indrindra. Nitombo 7 % ny isan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mikasika ny laza adina indray dia fantatra fa efa lasa avokoa izany ho an’ny any amin’ny Faritany. Amin’ny faran’ny herinandro kosa vao haparitaka isaky ny foibem-panadinana ny eto an-drenivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT