Actualités

Raharimanarivo Voahanginiaina Ny mahasoa ny vahoaka no tokony hatao haingana


  • Zoma 08 Mey 2015

asa mahamaika amin’ny fanatsarana ny fiainany ankehitriny ny vahoaka ka tokony hatao amin’izay ny fanamboarana ireo lalana efa tena mihasimba eny Atsimondrano eny. Fony mbola nisy ranon’orana nilatsaka aza efa natoby teny an-toerana mihitsy ireo fitaovana raitran’ny orinasa Colas ka amin’izao tany efa

 

Resaka fampihavanana sy fitoniana izao no ilaina eto amin’ny firenena fa tsy sanatria fisamatsamahana sy fisavorovoroana indray, hoy ny depiote Raharimanarivo Voahanginiaina avy eny Atsimondrano. Mila fanohizana indray ny maina izao ve tsy efa fotoanany hamerenana ireny ?  Resaka mahasoa ny vahoaka ireny, hoy izy, ka tokony hatao haingana tsy misy andraso andraso. Fa raha mikasika ny resaka fehin-kevitry ny fampihavanam-pirenena nivoaka teny Ivato ny alahady 3 mey teo dia tsotra amiko ny azo ambara, hoy ity depiote ity : misy lafiny mety amin’izy iny dia ny amin’ny fanomezana fahafahana araka ny efa nambaran’ny tondrozotra an’i prezidà Marc Ravalomanana fa nisy ihany koa ny lafiny tsy nety dia resaka fandravana rafitra efa misy notakian’ny iraisam-pirenena tahaka ny Antenimieram-pirenena izay olona voafidim-bahoaka avokoa no mandrafitra azy. Tsy mahagaga, hoy izy, fa olona very toerana mitady seza hiverenana no maro an’isa tamin’ireo mpizaika teny amin’ny CCI Ivato. Raha ny resaka fifidianana indray  dia tena miroso mihitsy tsy misy tomika ny fikarakarana izany ho an’Atsimondrano misy anay, indrindra fa ho an’ny antoko TIM.

Ntsoavina Evariste

SARY : Depiote Raharimanarivo Voahanginiaina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT