Raha ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara no asian-teny, hoy ny depiote Djaosera Irenée voafidy
avy any Analalava, dia tsy hisalasalana fa mihitsoka ny “machine administrative” noho ny tsy fahampian’ny vola hoentina mampihodina ny minisitera isan-tsokajiny. Maro amin’ireo mpiasa mifankafantatra amin’ny tena, hoy izy no efa velom-panontaniana ankehitriny hoe : aiza ianareo solombavambahoaka amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2015 ? Ekena fa tsy misy zavatra azo atao raha tsy misy ny vola hoenti-miasa any amin’ny biraom-panjakana any, hoy ity depiote ity, ka izany no tsy maintsy ilana ny fanitsiana an’io « loi de finances 2015 io ». Tsy miankina aminay solombavambahoaka anefa ny fahazoana manatanteraka an’io fa miankina amin’ny fiantsoan’ny governemanta ny hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ahafahana miatrika izany fa izahay depiote moa rehefa antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina fa izay no asa napetraky ny vahoaka nifidianany anay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.