Roso hatrany dia amin’ny hetsi-panoherana tarihin’ny depioten’ny fanovana. Tsy miato ny tolona, ary tsy miova ny toromarika hatreto, dia ny fialan’ny filoham-pirenena.
Ekena dia ekena tokoa fa misy sy manomboka mandeha ny fanelanelanana na ny an’ny Malagasy na ny an’ireo iraka avy any ivelany. Mety misy tokoa ny fifampiresahana, saingy tsy misy aloha ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’ireny, fa iray ihany ny toromarika ho an’ny vahoaka hoe: miala aloha ny filoha sy ny ekipany manontolo, ary io no fepetra takian’ny mpitari-tolona vao afaka tena miresaka. Nitohy teny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny fakana ireo mpiasa ny andron’ny alarobia lasa teo, saingy mailo sy nihorohoro ny fanajakana, ka nampiasaina tapak'andro ireo mpiasa, ka nihidy ny toeram-piasany avy eo. Na izany na tsy izany, dia manomboka tsikaritra ny fahasahian’ny tompon’andraikitra ambony mampibaribary ny fanohanana ny hetsi-bahoaka tarihin’ny depiote. Isan’ny naneho izany ny Tale Jeneralin’ny asam-panjakana na ny FOP, izay naneho ampahibemaso sy tamin’ny haino aman-jery izany, ankoatra ny fametrahana sora-baventy teo amin’ny FOP. Fotoana fohy taorian’izay, dia nesorina tamin’ny toerany tamin’ny alalan’ny filan-kevitry ny minisitra io tomponandraikitra ambony io. Ny minisitera isan-karazany moa dia efa hatry ny ela no nikatso fa tsy miodina ara-dalana intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.