Actualités

Raharaha Zakariasy Mampiaka-peo ny Foko Betsimisaraka


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Tsy hanaiky lembenana amin’ny fanalam-baraka sy ny famerezan-jo ny Tangalamenany ny Foko Betsimisaraka.

 Nampiaka-peo ka nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fikambanan’ny Tangalamena ao Toamasina, taorian’ny fahafantarana ny toe-draharaha anaovana fanadihadiana sy famotorana ny Tangalamena Zakariasy Patrick ary ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina izy ireo ny sabotsy teo, notarihan’ny filohan’ny Tangalamena : Edmond François, ka nanao fanambarana ho rem-poko sy ho fanta-pirenena manerana an’i Madagasikara fa : “nijoro ny Tangalamena Zakariasy Patrick, mahatsiaro fa manana adidy, nampisokatra ny mason’ny mpiray tanindrazana, amin’ny gaboraraka sy ny tsy fandraisan’andraikitra ataon’ireo tandrify izany. Nefa fanta-poko fanta-pirenena ny sandan’izany filazana ny marina izany.Ny Tangalamena Zakariasy Patrick dia mitovy amin’ny Tangalamena rehetra : Raiamandreny, Mpitana ny Hazomanga, taratry ny fihavanana samy Malagasy, to teny amin’ny fiarahamonina. Vato nasondrotry ny tany avy amin’ny Foko Betsimisaraka tsy misaradraha magnano. Noho izany dia naneho ny alahelony manoloana ny fampitoviana io Tangalamena io amin’ny jiolahy ary ny fanampenam-bava azy amin’ny fiarovany ny harem-pirenena izay nolazain’izy ireo ihany fa tena andraikiny tokoa ny manao izany”, hoy ny fikambanan’ny Tangalamena ao Toamasina.

Nohamafisin’izy ireo indrindra indrindra koa tamin’ny fanambarana ity fa : “Tsy ekenay raha ny raiamandreny fanaonay anjoro firarazana no atao toy ny valala samborim-boka. Tena manimbazimba loatra ny fomba sy ny hasin’ny Betsimisaraka izany”. Nohamafisin’izy ireo ihany fa tsy hanaiky lembenana amin’izao fanalam-baraka sy ny famerezan-jo ny Tangalamenany ny Foko Betsimisaraka. Mifandraika amin’izao fampiakaram-peo izao dia fantatra fa nanavao ny biraony ny sabotsy teo koa ny fikambanan’ny Foko 18 ao Toamasina, ka filoham-boninahitr’izany Atoa Marorazana Pierre, filoha am-perinasa kosa i Ferdin John André.

Fanja
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT