Tsy isika teto an-tanindrazana ihany no liana momba ny vaovao teo anivon’ny zandarimaria mikasika ilay resa-bola hoe nomen’ny filoha Ravalomanana azy ireo tamin’ny fotoan’androny. Ankoatra ny gazety ‘Lettre de l’Océan Indien », ‘Jeune Afrique’, dia namoaka ity raharaha ity ihany koa ilay gazety ‘Les Afriques’ nivoaka tamin’ity herinandro ity. Gazety iraisam-pirenena mikirakira manokana ny resaka vola, tetibola ary manana ny foibeny any Genève ny ‘Les Afriques’. « Ny soatoavina afrikanina », no niresahan’ny gazety ny momba ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, komandin’ny zandarimariam-pirenena, izay nambarany fa dia nitontongana tokoa ny mahaizy azy. Nanamafy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, hoy ny gazety Les Afriques, fa dia nanome vola hatrany amin’ny 190 000 euros, izany hoe manodidina ny 500 tapitrisa Ariary any ho any ny tenany. Izany, hoy ny gazety no nahatonga ny fiokoana farany teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.