Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.
Nisy kosa ny resaka nivoaka momba ny fisian’ny antso an-tariby nilazany fa tsy mahalala akory iny olona iny ny tenany. Nanasonia taratasy an-jambany ve ny tenany tamin’ilay fanomezan-dalana hivoaka ny fonja noho ny fitsaboan-tena ? Ny Sendikan’ny mpandraharaha ny fonja kosa etsy an-daniny mitaky ny hamoahana ny olony nanao ny asa, izay toa terena ho tompon’antoka samirery sy hanandronana ny rihitra any amin’ireo mpiandry fonja. Toa iniana tsy resahina sy hampanginina ity raharaha ity, ka na ny filankevitry ny minisitra omaly aza, dia tsy nahitana ny momba azy io na efa raharaham-panjakana aza. Midika zavatra be dia be ny fanambaran’iny Frantsay iny, saingy toa boriboriana fotsiny amin’ny hoe olona voasazy sy tokony higadra iny, mpanao ratsy ka tsy tokony hohenoina. Tsy tokony hohadinoina fa gadra nandositra i Houcine Arfa no manao fanambarana any ivelany ka anjaran’ny tsirairay ny mijery ny fahamarinany na ny tsy fahamarinan’ny zavatra noteneniny, hoy ny praiminisitra Mahafaly Olivier omaly. Efa nisy ny fifanarahana ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa,…raha voaporofo fa tena meloka ilay olona ka nandositra, mba hotohizana any amin’ny taniny ny fanamelohana iny olona iny, hoy izy. Misy antony goavana matoa tsy mikitika iny olona iny ny Frantsay. Ny tsy azo adinoina dia efa tao an-dapa sy niara-niasa tamin’ny HVM izy, izay efa nanambara ihany koa fa fanasoketana ny nanenjehana azy. Hisy ve ny fanadihadiana ara-pitsarana hivoahan’ny tena marina ? Sa kosa ho vitavita fotsiny toy ilay raharaha nahatrarana 3 000 000 Euros tamin’ilay mpanolotsain’ny filoham-pirenena tany Frantsa ny volana desambra 2015 ? Na koa ho toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay tsy hita intsony ny tohiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.