Hentitra omaly ny minisitra misahana ny fanajariana ny tany Benjamina Ramarcel Ramanantsoa momba ny raharaha famarotana ny tany St Antoine VI misy ny Villa Elizabeth fonenan’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert.
Ny mpitantana teo aloha no mety ho tompon’andraikitra amin’ny famarotana io tany io, hoy izy fa tsy ny fitondrana amin’izao fotoana mihitsy. Miantso ireo mpanenjika sy mpanakiana aho, hoy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa mba hanaraka tsara ny tohin’ny raharaha satria efa niantso ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny fitondram-panjakana mba hanadihady lalina io raharaha io. Miaro ny fananam-panjakana fa tsy mivarotra no ataon’ny fitondram-panjakana, hoy hatrany izy ary aleo handeha ny fanadihadiana dia ho hita eo izay vokany. Manizingizina moa ireo mpiara-dia amin’ny Pr Zafy Albert fa misy tsy mazava ity raharaha ity. I Serge Zafimahova izay ambara fa mpitondra teny ofisialin’ny fianakaviana, ohatra, dia efa nanambara fa sinema fotsiny ilay hoe fanafoanana ny famarotana ny tany “St Antoine IV”. Ny CRN tarihan’i Tabera Randriamanantsoa moa dia efa nitory ny fitondram-panjakana eny amin’ny Bianco mihitsy. Manizingizina anefa ny fitondram-panjakana ankehitriny fa tsy misy idirany mihitsy io raharaha io. Tantara mitohy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.