Misafotofoto be ny raharaha Mana sy TOP Toamasina, orinasa ao anatin’ny vondrona Tiko. Taorian’ny fanakanana in-telo miantoana nataon’ny ministry ny FAT, Razanamahasoa Christine ny hanatanterahana ny didim-pitsarana mamela malalaka ny tompony miditra sy ny mitantana ny orinasa dia nisy ordonnance nipoitra tampotampoka avy any.
Namoaka ordonnance laharana 867 tamin’ny 11 aogositra 2010 ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) Toamasina manakatona ary manidy tanteraka indray (scellage) ny orinasa TOP II Toamasina. Didy izay mifanohitra ny ordonnance laharana 113 navoakan’ny filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo ny 07 jolay 2010. Ny mahagaga amin’ity dia raha tena nivoaka ny 11 aogositra io ordonnance io, nahoana no mbola namoaka taratasy mampiantona ny fanatanterahana ny ordonnance 113 ny ministry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine ny 12 aogositra. Ankilan’izay indray dia tsy nahalala ny fisian’io ordonnance io ny Tiko SA raha tsy ny 13 aogositra 2010, andro nanaovan’ny vaditany nentin’ny fanjakana ny fanidiana tanteraka ny orinasa. Lazaina fa contradictoire ny namoahana ny didy, nefa tsy niatrika io fitsarana io akory ny avy amin’ny Tiko. Nilaza ny nitory teo anivon’ny TPI Toamasina ny Tiko ary nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana Antananarivo mikasika ireo taratasy in-droa misesy nataon’ny ministry ny fitsarana manakana ny fanatanterahana didim-pitsarana. Ny Tale jeneralin’ny ministeran’ny varotra no mpitory tamin’ity ordonnance TPI Toamasina ity.
Ny anton’ny nitondrany azy teo amin’ny Fitsarana dia nilazany fa miditra an-keriny sy mitondra fanakorontanana ao amin’ny TOP II ireo mpitantana taloha (ex-dirigeants) sy ireo solontenan’ny Groupe Tiko (ex-représentants). Tsy misy io “Ex” io, hoy ny Tiko, fa mbola orinasa misy sy velona na tsy mihodina aza ny Tiko. Tsy mbola miova ihany koa ny mpitantana hatramin’izao. Ny tao Toamasina ihany no nisy olana, tamin’ny nakan’ny FAT ny fananan’ny Tiko tao anatin’ny “Cellule opérationnelle” ny volana aprily 2009. Ny tany amin’ny faritra hafa nilamina ihany. Raha ny vola voalaza fa ananan’ny fanjakana amin’ny Tiko dia efa avo dimy henin’ny voalaza, araka ny tarehimarika eo anivon’ny orinasa voaporofo ary nahazo rariny tamin’ny fitsarana in-droa dia ny TPI Antananarivo sy ny Fitsarana Ambony Antananarivo. Nilaza ny hanohy ny fanatanterahana io ordonnance n°113 navoakan’ny filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony eto antananarivo ny 07 jolay 2010 io ny Tiko. Etsy ankilany anefa dia miharihary izao fa lalaovin’ny FAT ny fitsarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.