Actualités

Raharaha Tiko Oil Toamasina Mpanatanteraka baiko koa sisa ny Filankevi-panjakana


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Niakatra tetsy amin’ny Filankevi-panjakana omaly ny raharaha izay fangatahana ny hanokatra ny Tiko Oils Products ao Toamasina kanefa nobahanan’ny ministry ny Fitsarana ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Razanamahasoa Christine tamin’ny alàlan’ny taratasy izay nalefany teo anivon’ny “Procureur Général” an’ny fitsarana ambony ao Toamasina.

Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fangatahan’ny mpiaro ny Tiko ny amin’ny hamohana ny orinasa indray satria sahirana loatra ireo olona niasa teo anivony rehefa nohidina izy. Nolavina ihany koa ny fangatahana ny mba tsy hampiharana io baikon’ny ministry ny Fitsarana io. “Tapitra ny raharaham-pitsarana ary tsy misy na inona na inona hotsaraina intsony” raha araka ny nambaran’ny filohan’ny Filankevi-panjakana, Max Ramilison, omaly momba ity raharaha ity. Mazava ny resaka fa dia mpanatanteraka baiko koa sisa ny Filankevi-panjakana. Niezaka ihany ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny nandresy lahatra fa tsy mazava velively ny hoe inona no hidiran’ny filaminana anatiny amin’ny famohana ity orinasa ity. Ny mifanohitra amin’izay aza no misy satria ny fisokafan’ny orinasa ka ihodinany dia mamorona asa, ary rehefa mihena ny tsy an’asa dia hihena manaraka izay koa ny olana ara-tsosialy izay matetika fototry ny tsy fandriampahalemana. Tsy nisy fiantraikany velively tamin’ny fanapahan-kevitry ny filankevi-panjakana anefa izany.

Mazava ho azy fa misy ambadika politika avokoa ny raharaham-pitsarana izay mahakasika ny filoha Ravalomanana sy ny fananany. Ankoatra ity omaly ity mantsy dia mbola manaporofo izany ihany koa ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra azy. Tsy inona izany fa ny sazy an-terivozona mandrapahafaty. Amin’izay ihany koa dia natao faran’izay maika ny raharaham-pitsarana toy ny hoe niaretana mandra-paharainan’ny andro. Izany rehetra izany dia manambara avokoa fa tadiavin’ny FAT ny fomba rehetra tsy hamerenana azy eto an-tanindrazana. Ny mampalahelo ny mpanara-baovao anefa dia toa lasa hatao fitaovana voalohany amin’izany ny Fitsarana izay toa tsy manana ny fahaleovantenany intsony. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT