Actualités

Raharaha Tetikasa Ambatovy Tara vao nijoro ireo mitonona ho Raiamandreny an-tanŕna


  • Alarobia 15 Septambra 2010

“Marary tsy mitaraina, very tanik’aody”. Io no nentin’ireo mitonona ho raiamandreny an-tanŕna ao Toamasina nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny tetikasa Ambatovy notarihan-dRtoa Juanita Montalvio, hamahana sy tsy hisian’ny disadisa intsony eo anivon’ny tetikasa Ambatovy ao Toamasina Tanandava.

 Fihaonana natao ny alatsinainy teo tao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana.Volan-kakafotra ny dinika, izay niompana mandrakariva tamin’ny filazana sy fitakiana fa “tokony ho maro an’isa eo anivon’ny orinasa mpisivana sy mpanodina nikela sy kobalta ao Tanandava Toamasina ny zanaky ny faritra izay antony mahatonga ny tsy filaminana eo anivon’ny tetikasa, satria ato anatin’ny faritra no misy ny orinasa”. Tsy nandà izany ny tetikasa Ambatovy araka ny lahatenin-dRtoa Juanita Montalvio. “Miankina amin’ny antontan-taratasin’ny mpiasa ihany no andraisana mpiasa na tsia, fa tsy resaka fihavanana na fiaviana akory. Mila olona ampy traikefa tsara ny orinasa amin’ny maha orinasa goavana ‘usine lourde’ azy, ka izay ‘compétant’ ihany no tena ilaina mandrindra ny fihodinany. Tsy midika izany fa ailika ny hafa. Izay no mahatonga ny tetikasa hanofana tanora mba ho tena matihanina amin’ny fikarakarana ny orinasa ary tafiditra ao anatin’izany ny tanoran’ny faritra”.

Nambaran-dRtoa Montalvio hatrany koa fa “efa natsangana ny komity manokana hisahana ny fisivanana ny fakana mpiasa. Ao anatiny ianareo raiamandreny an-tanàna, ka ho hita eo ny fandehany. Tsy maintsy izay tena ilaina no raisina fa tsy azo ekena kosa ny resa-pihavanana sy resa-piaviana eo am-pikirakirana ny antontan-tarasin’ny mpangatak’asa tonga”. Raha ny zava-misy teo amin’ny fihaonana nifanaovan’ny mitonona ho raiamandreny an-tanàna sy ny ekipan’ny tetikasa Ambatovy, dia azo ambara fa tara ihany satria ny fifanarahana teo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa efa vita sonia, vao nisy ilay fihaonana. Koa azo ambara fa mba mitady ny anjara toerany sy anjara fahefany eo anivon’ny tetikasa koa izy ireo tamin’ny fanomanana ity fihaonana ity, izay tsy nolavin’ny tetikasa noho ireo olana maro nosedrainy ka nampikatso efa ho tapa-bolana ny asa rehetra, ka mahataraiky amin’ny ankapobeny famaranana ny asa fanorenana.

Ankoatra izany milamina ny ao anaty Toby fiasana aloha hatramin’izao. Samy nanaraka ny fifanarahana ny mpiasa sy ny mpampiasa, ilay tatitra hivoaka ny faran’ny volana izao no betsaka miandry satria miankina amin’izay ny hampitombo ilay asa 40 efa nekena nandritra ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta hanampiana ny mpiasa 350 sisa tsy feno tamin’ilay isa 1.800 tany am-boalohany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT