Actualités

Raharaha Soalala Nankaiza marina ny 100 tapitrisa dôlara?


  • Zoma 09 Jolay 2010


Mampanahy ny momba ilay vola 100 tapitrisa dôlara izay tokony harotsaky ny orinasa Wisco ho an’ny fanjakana Malagasy. Ny talata 06 jolay ny ministry ny vola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina, dia nilaza teo anoloan’ny mpanao gazety fa efa voarain’ny fanjakana io vola izay hahafahan’ny Wisco mandray amin’izay ny tany hotrandrahana ao Soalala. “Efa talohan’ny fetim-pirenena aza izany no voarotsaka tao anatin’ny kaotim-bolan’ny fanjakana” raha araka ny fanamarihan’io tompon’andraiki-panjakana io. Ny mahagaga anefa, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Banky foibe, dia tsy mbola nisy izany vola izany napetraka ao. Na ny taratasy manamarina izany aza (notification) dia tsy tonga teo anivon’ny Banky foibe, raha araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao maromaro. Aiza ary ny tena misy io vola io amin’izao fotoana ? Mila fanazavana bebe kokoa avy amin’ny Fitondrana mba hisian’ny fangaraharahana satria anisan’ny andrandrain’ny Malagasy izay tena efa latsaka an-katerena tokoa io vola io. Ny momba ny hazo sarobidy izay haondrana etsy sy eroa nefa toa tsy hita marina izay tena tompon’andraikitra voasambotra, ny fanondranana cacao izay toa olom-bitsy ihany no migoka ny maminy, ny fanondrotana sy ny fampidinana ny solika kanefa toa tsy misy antony mazava sns, dia toa manome endrika fa samy manao izay danin’ny kibony sy izay saim-patany ny tsirairay. Mila fanazavana sy porofo bebe kokoa ny vahoaka satria harem-pirenena io… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT