Actualités

Raharaha Remenabila “Avoahy ny marina !”, hoy i Manoela


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Tsy fandranitana ny filazana ny marina, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy Ralaimampisainarinony Manoela. Ampy izay, avoahy ny marina, hoy izy manoloana ny dian’i Andry Rajoelina any Frantsa.

 Resabe ny hoe miala sasatra ny filohan’ny FAT any. Miezaka mandresy lahatra ny vondrona iraisam-pirenena mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay na ny OIF izy any, hoy i Manoela izay nanamafy fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy tafody eto i Marc Ravalomanana, eny fa na dia efa niverina ao anivon’ireo andrim-panjakana aza ny ankolafy Ravalomanana.

Nambarany ihany koa fa dia resabe hanodinana ny saim-bahoaka fotsiny ny momba ny hoe Remenabila. Ny fanondranana hazo sarobidy toy ny boaderozy, hoy izy mitohy hatrany. Misy 1.000 taonina izao ao Antotra, miandry fanondranana, araka ny vaovao ary kaontenera 20 hafa any Toliara miandry haondrana fotsiny koa. Niantso ny praiminisitra moa ny tenany ho hentitra sy handray fanapahan-kevitra momba izany sy ny famoahana ireo gadra politika na sivily na miaramila, ny famahana ireo haino aman-jery nakatona.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT