Actualités

Raharaha Radio Fahazavana Tsy mety mandefa ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny polisy


  • Talata 25 Mey 2010

Mikatso tanteraka ny raharaha Radio Fahazavana taorian’ny nisamborana ireo mpanao gazety 5 mianadahy sy teknisianina efatra hafa. Fantatra akehitriny fa miahotra ny handefa ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana ny ao amin’ny BC Anosy amin’izao fotoana izao.

Ny manahirana ireo polisy dia misy ambadika politika ity resaka ity ka tsy hitan’ireo polisy efa zatra manao famotorana amina resaka halatra miaro fitaovam-piadiana sy famonoan’olona izay hatao manoloana ny mpanao gazety tsy misy atao afa tsy ny mikirakira vaovao.

Noho izany indrindra dia sasatra mihitsy ireo lehiben’ny polisy etsy ammin’ny BC mangataka fampitomboan’andro avy amin’ny Fitsarana ahafahana mitazona ireo mpanao gazety sy pasitera iray. Havotsotra mantsy izy ireo toa hanahirana manolona ireo mpitondra ny FAT. Hotazomina anefa mampisalasala ihany koa.
Araka ny feo re aza dia mety hitarazoka hatrany amin’ny 10 andro any mihitsy ny famotorana mikasika ity raharaha ity. Rehefa anontaniana moa ny lehiben’ireo polisy etsy amin’ny BC mikasika ny fotoana hanolorana ity raharaha ity amin’ny Fitsarana dia milaza izy ireo fa mbola misy olona andrasana.
Ny alin’ny alakamisy 20 mey teo no nosamborina ireto namana mpanao gazety ireto niaraka tamin’ny fanakatonana ny Radio Fahazavana. Re ihany koa anefa fa ezahina mihitsy izay hamoahan’ireo mpanao gazety voasambotra anarana mpanao politika avy amin’ny firehana telo entina holotoina amin’ireo tranga nisy tamin’iny herinandro iny. Ny tanjona amin’izany moa dia ny hisamborana ireo mpanao politika ireo.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT