Actualités

Raharaha Philippe Verdon Voatonona ny anaran’i Organes


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Voalaza ho mersenera ity Philippe Verdon ity raha ny voalaza eny anivon’ireo mpitandro ny filaminana. Omaly dia nihazakazaka ny raharaha mikasika azy. Araka ny fantatra mantsy dia ny ministry ny Filaminana anatiny Rakotomihantarizaka Organes no nampiditra azy teto. Tamin’ny taona 2008 no efa noroahina ity vazaha frantsay ity ary tsy navela hiditra eto Madagasikara intsony. Tamin’ny zoma 22 oktobra teo anefa dia tonga teny Ivato izy ary na dia ireo mpitandro ny filaminana teny aza efa nanda ny hampiditra azy. Nilaza anefa ny kaomisera lehiben’ny polisy teny Ivato fa baiko avy amin’i Organes no nampidirana azy. Na ny onjam-peo Viva aza omaly maraina, nandritra ny fandaharana anao ny fitenenana, dia mbola nanitrikitrika izany, araka ny loharanom-baovaony. Araka ny fantatra dia tsy nahafaly ity ministra ity izany. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT