Actualités

Raharaha Olivier Ninjaka Nampanginina ny fanadihadiana?


  • Talata 25 Mey 2010

Mangina tsy andrenesam-peo intsony ankehitriny ny fanadihadiana mikasika ilay habibiana nataon’ny polisin’ny FIP ao Antsiranana, ka nahafatesan’i Olivier Ninjaka, mpianatra taona voalohany tao ny oniversite ao Antsiranana ny 27 aprily 2010 lasa teo.

Nisy iraka manokana avy aty Antananarivo, nalefa tany Antsiranana hanao fanadihadiana mikasika iny raharaha iny. Nampanantena mihitsy ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase, izay mpampianatra tao amin’ny oniversiten’Antsiranana rahateo talohan’ny nanendrena azy ho Minisitra, fa hisy ny famotorana manodidina iny raharaha iny ary tsy maintsy ho fantatra ny marina tamin’ny famonoana ity mpianatra zanak’Antalaha ity ary dia tsy maintsy faizina izay nandika lalàna. Araka ny angom-baovao avy any Antsiranana dia nisy tokoa ny nohenoina sy nohadihadina, tao ny Polisy avy eo anivon’ny FIP, nisy mpianatra, eny fa hatramin’ny tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny oniversiten’Antsiranana. Nidona anefa izany rehefa tonga teo amin’ny anjaran’ny Lehiben’ny Faritra DIANA sy ny lehiben’ny distrikan’Antsiranana I, izay manana andraikitra eo amin’ny filaminana ankapobeny eo anivon’ny fari-piadidiany avy. Ny fanombohana ny fanadihadiana ihany no re fa iray volana aty aoriana tsy hita popoka ny tena tompon’antoka tamin’iny raharaha iny, na ny mpibaiko na ny mpaniraka na ny mpanatanteraka, ary ahiana ho maty momoka any ny raharaha. Dia sanatria ho matimaty foana izay latsak’aina sy nitondra takaitra, nitaky ny zony dia ny vatsimpianarana tamin’iny raharaha tao Antsiranana ny faramparan’ny volana aprily 2010 iny.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT