Actualités

Raharaha «Nadine Ramaroson» «Ho betsaka ny voasambotra eo”


  • Alarobia 29 Aogositra 2012

Toerana maro nanerana ny Nosy no nanokana fotoam-bavaka ho fahatsiarovana ny tsingerintaona voalohany nahafatesan’ny minisitry ny mponina teo aloha, Nadine Ramaroson, izay maty noho ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tao Soanierana Ivongo ny 28 aogositra 2011, herintaona lasa izay, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva.

 Andro alahady tamin’izay ary avy niatrika ny «Festival Tsolabe» tao Sainte Marie ry zareo tamin’io. Tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toamasina no natao ny lanonam-pahatsiarovana, omaly maraina, taorian’ny filarahana natao nitety lalana maromaro. 

 
Notsaroana manokana nandritra izao lanonana izao koa ireo olona 10 hafa maty niaraka taminy. Tao ireo mpiara-miasa aminy sy ny mpiambina azy manokana ary mpanao gazety, teo koa anefa ireo talen’ny mponina sy ny raharaha sosialy tao Analanjirofo sy Sainte Marie ary ireo Fokonolona nahita ny loza ka namonjy azy ireo ihany koa. Ny pastora Marc Robeson avy amin’ny Fjkm sy ny Mgr Solo Jean Paul avy amin’ny Anglikana no nitarika ny fotoam-bavaka. «Hotsarovana mandrakizay ny marina», hoy ny Mgr Solo Jean Paul. «Tsy misy tsara toy ny mifankatia sy mifanohana ary manome izay kely ananana ho an’ny tsy manana», hoy kosa ny Pastora Marc Robeson. Ho an’ny fianakaviana Ramaroson izay nosoloin-dRtoa Danick Ramaroson tena kosa, dia mbola nanamafy fa «maty novonoina ny minisitra Nadine Ramaroson. Efa misy ny ‘commission rogatoire’ mandeha any, ka miandry ny fiantsoan’ny fitsarana anay izahay dia hampiseho ireo porofo tsy azo lavina efa am-pelatanan’ny fianakaviana ankehitriny».
 
Matoa misy ny «commission rogatoire» ity, dia nisy izany ny fitoriana napetraky ny fianakaviana Ramaroson any amin’ny fitsarana miara-miasa amin’ny fitsarana malagasy any ivelany, na suisse tanàna niainany, na Frantsa ananany zom-pirenena, no mampisy ity vaomiera ity. Midika izany fa tsy matoky ny fitsarana Malagasy ireto fianakaviana ireto noho ireo porofo ananany, sy ny filazany fa «raha mbola io fitondrana tetezamita io no eo, dia tsy hivoaka ny marina mikasika iny raharaha tao Soanierana Ivongo iny, satria ny namono sy ny torinay dia ao anatin’io fitondrana tetezamita io avokoa». «Ho betsaka ny voasambotra eo raha mandeha tsara ny fitsarana amin’izao ‘commission rogatoire’ izao ; fa ireo olona roa efa nosamborina sy nampidirina am-ponja teo dia tsy misy idirany amin’ny raharaha ity mihintsy», hoy hatrany ireto fianakaviana Ramaroson ireto. «Aza tia tena, jereo ny tsy manana ary ampio ny mpiara-belona», izay no hafatry ny zokiko, hoy Rtoa Danick Ramaroson. Na tsy hahavita ny vitan’ny rahavaviko aza aho, dia tsy maintsy manohy ny asa soa sy sosialim-bahoaka nataony, ka ilako fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy ny olona tsara sitrapo ary ireo rehetra nahita soa tamin-dRtoa Nadine Ramaroson, hoy hatrany ity vaviaivon’ny fianakaviana Ramaroson ity.Ny tanjoko dia milamina ny fireneko raha sambatra tahaka ahy sy toa anay ny Malagasy ory sy ampijaliana ary ampahantraina.
 
Ankoatra izay, dia lalana 124.000 km no vitany nitetezany an’i Madagasikara nandritra ny 22 volana talohan’ny nahafatesany ity, izay nahitany ireo olana maro sy zavatra mafy maro iainan’ny Malagasy. Nisy koa ny tsiaro ity minisitry ny mponina voalohany tamin’izao tetezamita izao natao tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina teto Antananarivo omaly, ankoatra ny fitokanana ny takela-pahatsiarovana teo amin’ny ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy Ambohijatovo.
 
Raharaham-pirenena ny nahafaty ny zanakay Nadine, hoy ny CST Alain Ramaroson. Manipy teny izahay, hoy ihany ny CST Alain Ramaroson, fa efa niala nenina aho ka “amin’ny volana septambra izao dia hiteny aho rehefa tsy ho sahy ny fanjakana”. “Izay tokony ho gadraina dia gadrao. Tapitra amin’izay ny fanafenana zavatra eto amin’ity firenena ity rehefa ny olona ambony no manao ny tsy mety. Tapitra amin’izay ny familivilian-dresaka fa tsy tambatambazana amin’ny nahazo ny zanakay izahay, fa mamy loatra i Nadine…”. Nisy koa ny fotoam-bavaka tao Soanierana Ivongo ny alahady teo nahatsiarovana ireo maty tany an-toerana. Tsy tonga niatrika ny lanonana ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana rehetra. Ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina kosa no nisolo toerana ny PDS, niatrika ny lanonana kosa ny Ben’ny tanànan’i Toamasina II.
 
Rakoutou
 
 
 
ENCADRE
Ireo namoy ny ainy nandritra ny loza ny 28 aogositra 2011 : Nadine Laura Eugénie Ramaroson, Bimba Onésime (Chef SDPAS Ste Marie), Sonina Paul (DRPAS Analanjirofo), kaporaly Ramananjaona (Mpiambina manokana), Andrianjafison Heriniaina (mpanao gazety), Voahanginirina Aimée Frédine (Chargée des missions), Rakotonirina Jean Claude (mpamily manokana), Misy James (lefitry ny Fokontany Ambinany), Belahady François (mponina Ambinany), Ralevarivelo Léonard (mponina Ambinany), ary i Paul Kiazy Modeste (mponina Matsokely).
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT