Actualités

Raharaha Mbola Rajaonah “Sahy ilay nitsara azy !”


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Afaka madiodio izany aloha, hoy ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, ilay mpandraharaha Mbola Rajaonah tamin’ny resaka taratasim-bola tsy nisy anto-bola na “checque sans provision”.

 

 Sahy ary nanana fahaleovantena ilay nitsara iny raharaha iny raha ny fahitako azy, hoy izy, ary ny fitsarana dia mila tadidiana fa miaina anaty lalàna ary fehezin’ny atao hoe fahamarinana. Azo arahabaina ity mpandraharaha ity sy ilay nitsara azy ary hitako hoe lojika ny fampiarahana ny fitsarana ireo raharaha miisa 2 naha voapanga ity mpandraharaha ity. Ny hirariana kosa anefa dia ny hananan’ilay mpitsara ny raharaha manaraka iny fahasahiana sy fahaleovantena toy ny an’ilay tamin’ny voalohany iny ihany ary mba hoporofoina hatrany fa tsy mitanila tokoa ny fitsarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT