Taorian’ny taratasy fanakanana nataon’ny ministry ny fitsarana ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT), Razanamahasoa Christine, manery ny lehiben’ny fampanoavana ambony tao Toamasina hanakana ny fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan’ny filoha voalohany ny fitsarana ambony teto Antananarivo, dia namoaka ny heviny sy nilaza ny marina rehetra amin’ny antsojay atao aminy ny tomponandraikitra sy ny mpiaro ny vondron’orinasa Tiko SA, misy ny MANA Madagasikara sy ny TOP II Toamasiana.
Didy jadona
Tsotra ny anay fa «tsy fitiavana, fialonana, fankahalana fotsiny ary didy jadona, no anton’izao fanakanana ny didim-pitsarana azo tanterahana avy hatrany izao». «Nihazakazahana mafy ny fomba rehetra hanakanana ny famerenana ny orinasa Top II Toamasina, na teo aza ny didim-pitsarana manome rariny ny Tiko SA. Nifandipatra hatramin’ny datin’andro no niafarany vokatr’io fikoropahana io ka lasa «didy jadona» tsotra izao ny zava-misy», hoy ny mpiaro ny orinasa Tiko SA, Maître Hanitra Razafimanantsoa raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanamarihana maromaro izy mikasika izany. Voalohany, nahoana no voarakitra eo amin’ny «ordonnance» laharana 867 navoakan’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI), Rasoavololona Zafinera Pérol, izay vao napetraka tamin’izany toerana izany, ny 06 aogositra teo, fa ny 11 aogositra no nivoaka io didy io nefa ny tolakandron’io daty io tonga teny amin’ny TOP II ny Emmo-Reg, Sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana sy ny Talen’ny kabinetran’ny ministry ny varotra ary ny solontenan’ny distrika Toamasina I, izay sady tsy nahalala no tsy nahafantatra ilay «ordonnance» ary tonga fotsiny hiatrika ny fidiran’ny vaditany tao, Maitre Rasamimaka Mahefalahy sy ny mpiaro ny orinasa ny Maitre Razafimanantsoa Hanitriniaina ? Faharoa, nahoana raha efa nisy ity «ordonnance» nataon’ny filohan’ny TPI Toamasina ity, no mbola namoaka teny midina ny 12 aogositra tsy maintsy tanterahin’ny lehiben’ny fampanoavana ambony tao Toamasina ny ministry ny fitsarana, nefa ity farany ihany no nametraka sy mpanara-maso ity filohan’ny TPI Toamasina ity ? Ary farany, nahoana no 13 aogositra vao notanterahina ny «ordonnance» nefa raha ny voasoratra dia sady maika no dodona ny fitsarana hanakana ny fidiran’ny tompon’andraikitry ny Tiko teo anivon’ny orinasa tantanany ? Fantatra koa fa ny filohan’ny TPI sy ny Emmo-Reg nentiny no nidina an-tsehatra nanatanterahana ny «ordonnance» navoakan’ny fitsarana ady maika Toamasina io
Fankahalana
Raha nambara fa noho ny trosa be tsy voaloan’ny Tiko SA tamin’ny fanjakana no antony nanagiazana ny fananany sy ny entana tao anatiny ary namarotana azy ireo, ny volana aprily 2009 ka nananganana «Cellule Opérationnelle», dia voalaza kosa fa ny fidirana an-keriny nataon’ireo mpiasa sy mpitantana teo aloha ny orinasa teo anivon’ny Top II Toamasina, no antony niaingana nakana ity «ordonnance» tao Toamasina ity, izay ny Tale jeneralin’ny ministeran’ny varotra no mpitory. Namaly avy hatrany ny mpiaro sy ny tomponandraikitry ny orinasa fa «tsy misy mpitantana taloha na vondron’orinasa Tiko taloha izany eto. Ny Tiko SA dia mbola misy ary mbola mijoro na tsy mbola mihodina ara-dalàna aza. Ny krizy no nampihantona ny asanay», hoyny tomponandraikitra sy ny mpiaro ny orinasa. Ambaranay ihany koa, fa «sahin’ny ministry ny filaminana anatiny mihitsy ny mibaiko ny mpitandro ny filaminana nentinay hiala tsy hanatanteraka ny asa hiarahana amin’ny vaditany. Mazava anefa ny foto-dalàna Malagasy fa ny lehiben’ny fampanoavana ambony rehetra ny mpitandro ny filaminana misy … dia tsy maintsy manampy ary manamora ny fanatanterahana izany». Tsorinay hatrany fa «vokatr’io fankahalana lalim-paka eo amin’ny mpitondra FAT ny mpanorina sy tompon’ny orinasa, dia hitsahina hatramin’ny lalàna manan-kery misy. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy Fitsarana ambaratonga voalohany no manohitra ny didy avoakan’ny Fitsarana ambony, amin’izay ny filoha voalohan’ny Fitsarana ambony no mamoaka azy». Efa nitory eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina momba ity «ordonnance» ity ny mpiaro ny vondrona Tiko SA, ary nitory koa ny taratasy telo navoakan’ny ministry ny fitsarana eo anivon’ny Filankevi-panjakana.
Famahana krizy
Mifaningotra ao anatin’ny raharaha Tiko ny politika sy ara-tsosialy amin’ny FAT. Ny raharaha teknika anefa no tokony hojerena satria orinasa tsy miankina sy efa nisy talohan’ny politika ny Tiko SA. Vokatr’io fiarahan’ny politika sy tsy fitiavana hita taratra io dia «ny tao Toamasina no tena saro-bahana indrindra ny raharaha Tiko vokatry ny fisian’ilay ‘Cellule Opérationnelle’ napetraka nisahana ny fitantanana ny Tiko, nataon’ny fitondrana FAT. Tahotry ny hivoahan’ny marina sy mbola te-hanao antsojay ny orinasa no anton’ny fizirizirina. Ny any an-kafa dia efa milamina ary efa misy mihodina aza, toy ny fanamboarana fromazy ao Antsirabe», hoy ny mpiaro ny orinasa Tiko SA. Nambaran’ity farany koa fa «tena tafiditra ao anatin’ny famahana ny krizy misy eto amintsika, izay mitarazoka efa ho 18 volana izao, ny famahana ny raharaha Tiko», hoy ny Maître Hanitra Razafimanantsoa. Araka ny fanazavany mantsy dia mpiasa raikitra 225 sy mpiasa an-tselika an-jatony no velomin’ny Top II naverin’ny TPI Toamasina nohidiana sy nogiazana ity indray, nefa mbola eo ny Mana sy ny orinasa ao anatin’ny vondrona Tiko maro. Fantatra koa izao fa mihoatra avo dimy heny ny vola nambara fa ananan’ny fanjakana Malagasy amin’ny Tiko no efa nalaina teo aminy, tamin’ny famarotana ny menaka niainga ny volana mey 2009 izay mbola mitohy hatramin’izao, nefa efa lany fetrandro hihinanana azy ny menaka ao anatin’ireo «tanks» maromaro ny orinasa, noho izy efa mananiky ny herintaona sy tapany koa ny nahatongavany teto Madagasikara , sy ny famarotana ny vary ary ny lafarinina. Milaza ny tsy hipetra-mora ny mpiaro ny orinasa ary hanohy ny asa nahazoany rariny tamin’ny fitsarana mahefa misy sy miasa eto amin’ny firenena. Amin’ity herinandro vaovao ity no hitohy izany, amin’ny didy voasoratra rehetra ao anatin’ny didim-pitsarana efa nivoaka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.