Tsy tonga teny amin’ny Falda Antanimena omaly tolakandro ilay voalaza fa tovovavy sakaizan’Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo, Corrine Asmiel,
raha toa ka nisy fampiantsoana mpanao gazety tamin’ny alalan’ny mailaka ny alin’ny alahady teo. Lehilahy iray milaza ho iraka nalefany no tonga teny an-toerana niala tsiny tamin’ireo mpanao gazety fa tsy afaka nihazo an’Antanimena, hono, ity nampiantso ity fa tratrin’ny “sampona”. Tsy fantatra moa hoe rahoviana indray vao hanazava marina izay tiany nazavaina omaly ity zazavavy ity. Tombana mipetraka koa ny hoe sao dia nisy nijoko koa ilay mailaka ka olon-kafa no nisoloky nandefa ilay fampiantsoana sy ilay iraka? Nilaza ny tompon’andraikitra tao amin’ny Falda Antanimena fa tsy nisy namandrika hanao tafa amin’ny mpanao gazety tao omaly. Mbola tsy mazava, araka izany, ny tena ao ambadiky ny nahafatesan’ity mpanao politika teo aloha ity.Somary nanaitra ihany koa ny hoe nahoana no amin’ny andro handevenana an’Itompokolahy mihitsy no misy milaza fa sakaizany hiresaka amin’ny mpanao gazety.Nanamafy anefa ilay lehilahy tonga teny Antanimena fa tena ilay tovovavy mitondra ny anarana hoe Corrine Asmiel no nandefa ny “mail” tany amin’ny mpanao gazety.Ity tovovavy ity sy ny reniny no nambaran’itompokolahy Mamy Rakotoarivelo tao anatin’ny zavatra navoakany tamin’ny facebook mialohan’ny nahafatesany fa hoe nisoloky azy sy naka ny volany.Maro ny fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny mazava momba ity raharaha ity fa dia samy miandry ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.