Tsy mbola tonga eny amin’ny polisy hatramin’izao ny valin’ny fizahana natao ny razana na ny “Autopsie” momba ny raharaha nahafaty an’i Mamy Rakotoarivelo.
Tsy fantatra mazava hoe inona no tsy hahatongavan’izany eny amin’ny mpitandro filaminana hatramin’izao kanefa efa herinandro katroka anio ny nahafaty ity tompon’andraikitra ambony teto amin’ny firenena teo aloha ity. Olona 10 kosa no voalaza fa efa nanaovana fanadihadiana momba ny nahafaty azy, ka isan’ireny ilay sakaizany antsoina hoe Andrianivoson Tiavina Corinne, izay fantatra bebe kokoa tamin’ny anarana hoe Corinne Asmiël tao amin’ny tambanjotra ara-tsosialy “facebook”. Tafiditra tao anatin’ny nohadihadiana ihany koa ny anabavin’ny maty, raha ny vaovao azo. Raha ny lojika dia fotoana vitsy taorian’ny nitondrana ny razana teny amin’ny hopitaly no nivoaka ny valin’ny fizahana, saingy tsy misy ny vaovao ofisialy momba izany hatramin’izao. Mampametra-panontaniana hoe misy zavatra hafenina na tsiambaratelo manokana ve momba ny nahafaty azy, ka fihinina sy hiniana tsy hampahafantarina ny valin’ny fizahana ny razana? Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra, fa raha ny vaovao nivoaka moa dia re fa na ireo zanak’i Mamy Rakotoarivelo aza, dia nihevitra fa famonoana efa voahomana sy maty paika no nahazo ny rainy. Mivoaka ihany koa ny resaka amin’izao fa nisy olona nivezivezy sy tsy dia zo antoka tonga amin’ny tranon’i Mamy Rakotoarivelo nialohan’ny nahafatesany. Mbola maro ny zavatra mifamaohafo momba ity raharaha ity, ka andrasana izay ho tohin’ny fanadihadiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.