Actualités

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Mbola manjavozavo hatramin’izao


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Niresaka fohy tamin’ny mpanao gazety omaly tolakandro ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka Rabialahy Jean Rostand.

 

 Efa samy eny am-pelatanan’ny fitsarana hatramin’ny volana febroary ny raharaha Antsakabary sy Mamy Rakotoarivelo, hoy izy ka ny fitsarana no manana ny teny farany amin’izany. Tsy mipetra-potsiny ny polisy fa miasa sy mikaroka ny marina. Misy ny horonantsary mivezivezy momba ny raharaha Antsakabary amin’izao fotoana koa raha voaporofo fa marina sy mitombina ny voarakitra ao dia raisin’ny polism-pirenena ho porofo fanampiny. Raha nisy polisy nandray anjara tamin’iny tranga niteraka fanapotehana fananan’olona tany Antsakabary iny ka voaporofo mazava dia tsy maintsy hiharan’ny sazy araka ny lalàna izy ireo, hoy ny talen’ny kabinetra. Tsy nanome fanazavana fanampiny momba ny fomba mety nahafatesan’i Mamy Rakotoarivelo tao an-tranony kosa ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa dia nilaza fotsiny hoe efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha ka anjaran’ny fitsarana no manapaka ny amin’iny. Manjavozavo tanteraka, araka izany, ny raharaha Mamy Rakotoarivelo satria ny polisy nanao ny fanadihadiana dia tsy mety milaza mazava hoe namono tena marina ve sa nisy namono izy. Ny 28 aogositra 2017 no hita faty tao amin’ny trano fatoriany teny Ankadifotsy ity filohan’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha ity, nisy nilaza fa nahare poa-basy, saingy efa-bolana aty aoriana dia tsy mbola mazava hoe nitifi-tena ve izy sa nisy olona hafa mety nitifitra azy fa voalaza fotsiny hoe nahitana bala tao anatin’ny lohany. Efa natao ny « Autopsie » saingy tsy fantatra ny vokatr’io. Ireo zanak’itompokolahy izay nilaza fa hitory koa tsy nanao izany teny amin’ny mpitandro ny filaminana raha araka ny fanadihadianna natao.Manjavozavo tanteraka ny raharaha.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT