Actualités

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Fa aiza ny valin’ny « Autopsie » ?


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Anisan’ny raharaha mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny nahafatesan’Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo tampoka tao an-tokantranony, tapa-bolana lasa izay.

  Betsaka ny feo mandeha mikasika azy io  toy ny hoe : namono tena izy, eo koa ny resaka mandeha fa hoe nisy namono izy fa tsy nitifi-tena izany.Avy eo re fa hoe  efa  nampidirina am-ponja vonjy maika ilay mpanampy vaviny nilaza fa nahare poa-basy in-droa…. Nanambara ny kaomisera Alexandre Ranaivoson  omaly araka ny resaka nifanaovana taminy fa tsy marina velively ny hoe nampidirina am-ponja ilay mpanampy vavy. Tsy afaka mampiditra am-ponja olona  izahay hoy izy raha tsy mandalo fitsarana. Hatreto anefa hoy izy dia mbola eo an-dalam-panaovana fanadihadiana izahay izay natombok’izy ireo  tamin’ny fihainoana ireo olona folo manodidina ny maty. Anisan’izany ilay mpanampy vaviny, ny sakaizany, ny anabaviny… Mikasika ilay fitoriana noresahana ombieny ombieny ihany koa fa hapetrak’ireo zanak’Itompokolahy dia nohamafisin’ity kaomisera ity hatrany fa mbola tsy tonga eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena izany hatry ny omaly 9  aogositra 2017.

Mihisatra ny fanadihadiana

Mbola tsy navoakan’ny hôpitaly ihany koa ny valin’ny autopsie na ny fanadihadiana ny vata mangatsiakan’Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo mba hamantarana ny antony marina nahafaty azy, hoy hatrany ny fanazavana . Nomarihin’ny kaomisera Alexandre moa fa  raha voaporofo amin’ny alalan’ity “autopsie” ity marina fa nisy namono Itompokolahy dia vao mainka hihalalina ny fanadihadiana hataon’izy ireo hanenjehana izay tena meloka. Tsara ho marihana ihany fa ny zoma 28 jolay 2017 tokony atoandro no hita faty tao amin’ny efitrano fandriany tao amin’ny tranony teny Ankaditapaka-Ankadifotsy i Mamy Rakotoarivelo; nambaran’ny mpitandro filaminana fa bala tao amin’ny lohany no nahafaty azy..Nilaza ilay ramatoa mpanampy tao an-trano fa nahare poa-basy in-droa, ka teo no niteraka ny adihevitra tsy mety vita hoe : olona namono tena ve dia nahavita nitifitra basy in-droa ny lohany.Nilaza koa avy eo ireo zanak’itompokolahy mirahalahy fa hametraka fitoriana, izay afaka ilazana avy hatrany fa tsy mino izy ireo hoe namono tena ny rainy fa nisy namono.13 andro aty aoriana anefa dia tena mahagaga ihany hoe tsy mbola naharay taratasy fitoriana ny polisim-pirenena no sady tsy mbola nahazo ny vokatry ny “Autopsie” ihany koa, “Autopsie” izay efa vita ny zoma 28 jolay anefa.Fa inona ary no antony tsy nanomezana haingana ny polisy io tatitry ny “Autopsie” io mba hanohizana ny fanadihadiana; iza no nampikatso ny raharaha na nanafina tsotra izao ny antontan-taratasy satria tsy azo inoana fa tapa-bolana aty aoriana dia tsy mbola voafaritry ny mpitsabo sy ny manampahaizana ihany hoe maty namono tena ve sa maty nisy nitifitra na nisy namono i Mamy Rakotoarivelo .

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT