Actualités

Raharaha “Mamod Taky” Mpiandry fonja maro no atao fanadihadiana


  • Alakamisy 22 Jolay 2010

Tsy vita hatreto akory ny momba ny raharaha Mamod Taky na dia efa any ivelany aza ny tenany no miandry ny fitsarana azy.

Raha araka ny vaovao azo dia nanao vaky bantsilana tamin’ny fitondrana malagasy ny tenany momba ny kolikoly izay miseho eo anivon’ny fonja. Nanaitra ny tompon’andraikitra izany ary nisy ny fanadihadiana nosokafana nanomboka teo. Raha ny fantatra ary dia marobe, maherin’ny 20, ireo mpiandry fonja izay henoina eny anivon’ny “Chaine pénale” etsy Faravohitra amin’izao fotoana izao. Raha ny re dia toa nilaza i Mamod Taky fa tsy dia nijanona loatra tao am-ponja nandritra ny fotoana nitazomana azy fa resaka fotsiny no betsaka, indrindra fa amin’ny alina. Izany rehetra izany no nitarika ny fanokafana ny fanadihadiana. Ny antony mety nahatonga azy hamaky bantsilana indray dia heverina fa noho ny tsy nahafahany nijanona eto Madagasikara intsony na dia teo aza ny efa fikasany hanao lava tanana eo anivon’ny Fitsarana sy ny tompon’andraikitra maro isan-karazany, arak’izay efa nahazatra azy ihany. Mbola mitohy hatreto ny fanadihadiana ireo mpiandry fonja ireo.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT