Actualités

Raharaha Life Telecom Onitra 50 tapitrisa dolara no mety haloan’ny fanjakana


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Tsy mbola miravona hatramin’izao ny disadisa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny orinasam-pifandraisana Life Telecom.

Tsy mbola afaka mihodina moa ity orinasa ity noho ny fampiatoan’ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra ny “licence d’exploitation” sy ny tsy mbola fahazoany ny fahazoan-dalana mitrandraka na “autorisation d’exploitation” avy amin’ity farany ihany raha tsy mandoa ny onitra roa tapitrisa dolara, trosa tsy voaloan’ny orinasa Intercel ny Life Telecom. Ny Intercel izay noraisin’ny Life Telecom na ny Madamobil ihany koa. Nanazava i Harotsilavo Rakotoson, tompon’andraikitra eo anivon’ny Life Telecom fa amin’ny firenena mandroso dia ny fikatsahana ny fahazoan’ny firenena tombontsoa farany izay ambony amin’ny lafiny ara-bola, teknika, sosialy no anjaran’ny minisitera fa tsy miditra amin’ny fanomezana fahazoan-dalana mari-drefy izy. Efa misy ny sampandraharaha miandraikitra izany dia ny Omert raha momba ny lafiny fifandraisan-davitra no resahana eto amintsika. Ny famaritana ireo filana eo amin’ny sehatra kosa no tokony himasoan’ny fanjakana raha ny fanazavany ihany. Momba ny raharaha Life Telecom manokana dia miditra an-tsehatra mivantana amin’ny fitakiana ny trosa tsy voaloan’ny orinasa iray teo aloha amin’ny life ny minisitra misahana ny fifandraisan-davitra saingy ataony takalony amin’izany ny momba ny licence tokony hampiasanay, hoy ity tompon’andraikitra misahana ny lafiny lalàna eo anivon’ny Life ity. Raha ny nambarany ihany dia tsy marina ny vaovao miely fa nividy ny licence nampiasain’ny Intercel ny Madamobil. “Tsy nisy mihitsy ny famindrana ny trosa sy fananan’ny Intercel amin’ny Madamobil ary manaporofo izany ny antontan-taratasy momba ny famindrana ny fahazoan-dalana miasa izay navoakan’ny Omert.

Onitra
Faripananan’ny Sheikh Mohammed Al Maktoum, Emirn’ny Dubai ny vondron’orinasa Dubaï Holding izay manana petrabola betsaka ao amin’ny Life Telecom satria izy no namatsy ara-bola ny fampiasam-bola 40 tapitrisa dolara efa natao hatramin’izao. “Raha sanatria ka ratsy fiafara ity raharaha ity dia mety ho tratran’ny fandoavana onitra mitentina 19 tapitrisa dolara amin’ny Life Mobil ny fanjakana raha mitory eo anivon’ny CRDI izahay. Mety hahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa dolara mihitsy anefa izany onitra izany raha atambatra amin’ny fatiantoka. Tsy maintsy hiantso izay mpisolovava mahay eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny Life Telecom.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT