Manomboka mampiaka-peo ireo fianakavian’ny mpiasa any Liban noho ny fahatsapana fa kobaka am-bava sy volana an-tenda ilay fampanantenan’ny FAT izay nilaza fa handefa fiaramanidina manokana hamerenana ireo olona ireo aty an-tanindrazany.
Efa nandeha mihitsy aza ny fangalana fitarainana mba hanamorana ny taratasy hampiverenana ireo olona. Tafakatra 487 izany raha araka ny filazan’ny tomponandraikitra mifanandrify amin’ny fanangonana izany. Hatreto anefa aloha toa tsy hita ihany izay fiaramanidina niala teto Madagasikara ka hihazo an’i Liban. Mainka koa nihombo ny hatezeran’ireo fianakaviana rehefa nandre fa delegasiona eo anivon’ny ministera tompon’andraikitra no halefa any mba hijery akaiky ny raharaha fa tsy fiaramanidina manokana izany. Raha tsiahivina dia efa mahatratra 6000 any ho any ireo Malagasy miasa any Liban. Ny ankamaroan’ireo dia mitaraina fa mafy be loatra ny asa noho ny fidarohana sy ny fanambaniana ataon’ny mpampiasa. Efa valo aza izao ny vehivavy gasy namoy ny ainy am-perinasa noho ny daroka nanjo azy ireo. Nandray andraikitra hatrany ny ministera voakasika mivantana ary hita ho niezaka ihany koa ny etsy Ambohitsorohitra. Tonga hatramin’ny hoe handefa fiaramanidina manokana aza mba hamerenana ireo olona. Saingy nijanona ho fampanantenana fotsiny izany hatreto ka nampiaka-peo ireo fianakavian’ireo mpiasa eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.