Tsy mipirina dia adino sy ho lasa tantara fotsiny tahaka ireo «grands dossiers» hatrizay teto amintsika ny raharaha Kung fu tamin’ny 1985 fa mety hipoitra indray atsy ho atsy, ary tsy maintsy ho hita ny marina rehetra.
Izay no fanambaran’ny Maître Avoko, zanaky ny Grand Maître Pierre Be na Rakotoarijaona Pierre Mizael. Nisy foana hatramin’izay ny fanadihadiana sy fanangonam-baovao nataonay teo anivon’ny kung fu Wisa, araka ny filazan’ny Maître Avoko. Tsy maintsy ho avy ny fotoana hampahafantarana ny rehetra ny zava-nisy marina 25 taona lasa izay. Misy fotoanany moa ny zava-drehetra, ka dia mila mahandry izany isika rehetra, hoy ihany izy. Raha iverenana kely moa ity raharaha kung fu ity, dia efa hatrany amin’ny taona 1978 tany no nampiditra io haiady io teto Madagasikara ny Grand Maître Pierre Be, saingy taty amin’ny fisasahan’ny taona 1980 taty vao tena nanomboka fantatry ny olona ilay izy. Niroborobo fatratra izy tamin’izany ary tena nahenika an’i Madagasikara mihitsy. Sokajin’olona maro no niangaly azy tamin’izany fotoana, teo ny mpiasa birao, ny mpianatra, ny dokotera, ny miaramila, ny polisy, na tanora io na efa voky taona, na lahy na vavy. Nijoro ho mpiaro ny vahoaka manoloana ny herisetra sy ny sotasota nataon’ny zatovo lahy tao amin’ny TTS, izay nanana ny foibeny teo amin’ny misy ny tsenan’ny Pochard amin’izao fotoana ny mpanao kung fu, izay nanana ny foibeny tetsy Behoririka. Nisy matetika ny fifandonana teo amin’ny roa tonta.
Raha ny fahitana ny zava-nisy tamin’izany fotoana dia misy olom-panjakana mpanohana sy mpanampy ireto andiana tanora avy ao amin’ny TTS ireto. Ny niafaran’ny raharaha dia lasa fifanandrinana teo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao kung fu. Nambara fa fikambanana tsy ara-dalàna ary mampiana-dratsy ny tanora izy io, ary nitady ny hevitra rehetra hanakatonana sy hanafoanana azy ny fitondrana. Nihenjan-droa ny tady satria tsy nanaiky lembenana ny Grand Maître Pierre Be sy ireo mpianany analiny. Ny vahaolana farany hitan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany dia ny fanafihana ny trano fonenan’i Pierre Be teny Ambatomainty, boriborintany fahadimy, sy ny foiben’ny kung fu teny Behoririka. Nivoaka hatramin’ny fiara mifono vy mihitsy moa tamin’izany fotoana. Araka ny vaovao ofisialy tamin’izany fotoana dia hoe : maty voatifitra i Pierre Be. Manjavozavo be ihany ny tarehimarika momba ny isan’ireo naratra sy namoy ny ainy tamin’izay. Misy aza ny milaza hatramin’izao fa tsy maty izany ny Grand Maître Pierre Be fa mbola miriaria any. Ho hita eo ny mety ho tohin’ny raharaha satria tsy maintsy hipoitra amin’ny fotoana mahamety azy ny marina, hoy ny Maître Avoko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.