Nanomboka ny alatsinainy 07 jona teo dia niraradraraka ny fiantsoana tonga hanaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary Toamasina mahazo ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra, mikasika ilay nambaran’ny enspekteran’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany fa nahitana fanodinkodinam-bola manodidina ny 400 tapitrisa ariary tao amin’ny Kaominina.
Zandary roa no nampanaovina ny iraka nizara ireo fiantsoana fanaovana fanadihadiana ireo. Nampanatsoina avokoa ny lefitry ny Ben’ny Tanàna efatra sy ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina ary ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa ao amin’ny Kaominina. Ny Ben’ny Tanàna moa tsy mbola ao Toamasina, fa mamita iraka miezaka manazava ny tena zava-misy aty Antananarivo eo anivon’ireo tompon’andraikitra samihafa. Hatramin’izao aloha dia fiantsoana fanadihadiana no mivoaka sy miraraka, fa ny fisamborana sy ny fanagadrana ireo mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanàna ireo tsy mbola misy. Raha mitohy anefa izao dia mety hiafara amin’izay ihany ity raharaha ity. Ny momba ny Ben’ny tanàna sy ny fisamborana azy aloha izao no mahamaika ny Emmo-Reg Atsinanana, nefa ity farany tsy hita hosamborina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.