Rahaharaha anisan’ny hitazonana am-ponja an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, filohan’ny Fikambanana HAFARI Malagasy ny resaka fitazonana an-keriny an’i Joella ny 22-23-24 desambra 2015.
Tsy mbola voamarina aloha hatreto na tena nisy marina izy io. Ny an-daniny nanitrikitrika fa nisy ilay izy. Ny an-kilany mijoro amin’ny heviny fa fanosoram-potaka no fotsiny. Milaza kosa ankehitriny ilay ramatoa fa noho ny faneren’ny fanahy masina azy mba hamela heloka, dia tsy misy fanenjehana an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa momba ny fitazonana an-keriny azy intsony eo anatrehan’ny fitsarana. Tsy misy zavatra hatahorako ny hiatrika fitsarana fa noho ny tenin’ny fanahy masina no mahatonga ahy hangina, hoy izy. Mety hifoha indray ity raharaha ity ary tsy hay na ho tapitra hatreo ny disadisa na mbola hitohy. Re mantsy fa mety hiakatra fitsarana ny raharaha Jean Nirina Rafanomezantsoa. Matahotra ny hifoteran’ny rambony ve Ramatoa Joella raha toa tafavoaka i Jean Nirina ka naleony nisafidy dieny izao ny hangina sy hanajanona ny fanenjehana ? Nifampitory mantsy ny roa tonta saingy tsy mbola voajery aloha ny taratasin’ady mikasika mikasika ny fitorian’i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Anisan’ny olona toriany ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, izay voalaza ho ao ambadik’izao fandetehana azy izao ihany koa. Samy miandry izay ho tohin’ny tantara ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.