Actualités

Raharaha Houcine Arfa Toa tsy hita izay niafarany


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Tsy mbola nifarana ny raharaha Houcine Arfa na somary nangingina aza tato ho ato. Maro ny ampamoaka nataon`ity gadra nitsoaka ity tamin`ny haino aman-jery frantsay,

 niampy ny horonam-peo nivoaka sy niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera izay nahavoarohirohy olona ambony teo amin`ny fitsarana sy teo anivon`ny fonja. Marihina fa i Houcine Arfa dia efa nandalo fitsarana ambaratonga ambony ny volana novambra 2017 ary efa namoahana didy kanefa izy tafavoaka teto Madagasikara indray. Taty aoriana, nisy ny fampiakarana nanamafy ny didy nivoaka tamin`izany. Raha ny nambaran`ny mpisolovava ny mpitory an`i Houcine Arfa, Maitre Haja Rakotoson, ny olona voaheloka dia tsy afaka manao famelabelaran-kevitra kanefa toa afaka nampiditra finday tao am-ponja. Ny olona voapanga nitsoaka dia melohina ary voasazy mandrapahafaty. Raha zohina anefa ny zava-misy, rehefa hitan`ny mpanao gazety vahiny ny toerana misy azy dia tsy nanitsoka an`ilay voaheloka izy.  Raha hiverenana kely ity horonam-peo miparitaka any anaty tambajotran-tserasera ity, inona ny fepetra na andraikitra mety horaisin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Bianco ? Voaporofo mantsy fa nangataka vola 4 tapitrisa ariary tamin’i Houcine Arfa tokoa ny talen’ny fonjan’i Tsiafahy. Tsara ny mampatsiahy fa ny fanjakana malagasy dia efa namoaka didy fampisamborana mahakasika an`i Houcine Arfa kanefa dia misy fifanarahana amin`i Frantsa sy Madagasikara. Noho izany dia azo atao tsara ny misambotra sy mitsara azy. Midika ve izany fa ny fanjakana Frantsay mihitsy no tsy manatanteraka ny didy navoakan`ny fitsarana Malagasy? Tena mampanongo tena ny zava-misy eto Madagasikara raha resaka kolikoly satria na minisitra izay heverina ho fitaratra sy modely aza manao fomba mamohehatra. Mahantra tokoa i Madagasikara ary mahantra olo-marina ka raha mbola izao no mitohy dia mbola ela vao hiarina.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT