Actualités

Raharaha Houcine Arfa Nanaboribory resaka ny masoivoho Frantsay


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Tsotra ny nambaran’i Véronique Vouland Aneini, masoivoho Frantsay eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny teny fohy ara-diplomatika sy feno fitandremana be hoe: “manaja ny fiandrianan’i Madagasikara sy ny fitsarana Malagasy ny Frantsay, ary efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana roa tonta ny raharaha Houcine Arfa”.

Tsy nisy fanampim-baovao hafa, fanambarana toa azo itarafana fa tsy mivaky loha firy amin’ity raharaha ity ny Frantsay, ary tsy miraika amin’ny vava be ataon’ny mpitondra fanjakana etsy sy eroa. Nahazo micro omaly ny minisitry ny raharaham-bahiny Henri Rabary Njaka nandritra ny fifampiarahabana niarahana tamin’ireo masoivoho rehetra,  ary dia namatrapantratra; hoy indrindra izy : “miresaka amin’ny radio izy,  fa maninona  no tsy miseho mivantana amin’ny fahitalavitra, ka tsy fantatra mazava na any Frantsa marina iny na tsia … Tsy mpanolontsain’ny filoha ihany koa iny! Ny zavatra fantatro dia olona voaheloka iny no nitsoaka, dia mangataka fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa i Madagasikara hanohy ny fanenjehana sy ny fitsarana”. Na izany aza efa resa-be tsy mety vita ilay fanomezana 70 000 euros ny minisitry ny fitsarana Malagasy izay tsy sahy miaro tena sy miseho amin’ny fahitalavitra mivantana ihany koa fa mangina sy arovan’ny olon-kafa foana.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT