Actualités

Raharaha Houcine Arfa Mampiady ny samy mpitsara


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Miteraka savorovoro eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana ny nisamborana ny mpitsara mpanao famotorana iray anisan’ny nandray an-tanana ny raharaha Houcine Arfa, tao an-tranony ny alakamisy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

 Resaka fampandosirana an’i Houcine Arfa no nambara fa antony. Tsy nanara-dalàna ny fisamborana, hoy kosa ny eo anivon’ny SMM satria maro ireo dingana tokony ho narahina, toy ny fampiantsoana ny mpitsara ambony grady. Nentina tany amin’ny tribonalin’Ambatolampy avy hatrany izy io omaly, ka nidina tany an-toerana avy hatrany ny mpitsara maro avy amin’ny SMM. Re avy eo fa nahazo fahafahana vonjimaika ity mpitsara ity saingy tsy manaiky ihany koa ny fanesorana ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny fitsarana ny SMM. Mitsahatra tsy miasa daholo ny Fitsarana eran'ny nosy anio zoma 02 Martsa 2018, hoy ny hafatry ny SMM tamin’ny tambajotra fesiboky omaly, ka ahiana hitarika fampikatsoana ny raharaham-pitsarana indray izany. Nilaza kosa ny Birao manokana misahana fampiroboroboana ny fampanarahan-dalàna antsoina hoe BCCJEP (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires) vao natsangana eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa nanatontosa fanadihadiana momba ny raharaha Houcine Arfa. Nandritra ny fitondrana azy nivoaka ny hopitaly, dia nisy ny antso an-tariby nataona mpitsara mpanao famotorana iray sy mpandraharaha ny fonja iray niasa tao amin’ny minisiteran’ny fitsarana, hoy Razafindrakoto Solohery, ao anatin’ny BCCJEP. Nifandray betsaka tamin’ireo mpiandry fonja nitondra an’i Houcine Arfa izy ireo nanomboka ny 25 desambra ka hatramin’ny 29 desambra izay manaporofo fa voasaringotra ao anatin’io ilay mpitsara, hoy ity Birao ity. Nisy fahadisoana arak’asa, misy fandikan-dalàna, firaisana tsikombakomba tamin’ny  fampandosirana, kolikoly hoy izy ireo. Mpandraharaha ny fonja 3 mpitsabo mpanampy 1, dokotera 1 ary ny mpamily iray, izany hoe 6 ireo vaoalaza fa voarohirohy, ka efa nalefa any amin’ny tale jeneralin’ny Bianco ny antontan-taratasy. Ny mahagaga anay dia ireo olona voatonona ho nandray vola sy nanamora ny fitsoahan’i Houcine Arfa, dia tsy nisy nanokafana fanadihadiana, dia ny minisitry ny fitsarana sy ny talen’ny kabinetrany, hoy i Faniry Ernaivo filohan’ny SMM.


Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT