Mivaha amin’ny ampahany ny raharaha nahasaringotra ilay mpanakanto Hiary Rapanoelina, naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha fanalam-baraka tao anatin’ny vondrona fesiboky (Fifosana hanatsarana ny “pipoles” Gasy).
Efa niala tsiny sy nifona tamin’ny anaran’ny fianakaviana izy ary nanentana ny rehetra hanatsahatra ny resaka fanaratsiana sy fanalam-baraka satria tsy mahasoa. Omaly dia nivoaka ny vaovao fa nisintona ny fitoriany ny sendikan'ny artista, ary efa nanao taratasy mikasika izany, izay nosoniavin'ny Sekretera jeneraly Rahasimanana Paul Bert na i Rossy. Tsy misolotena kosa an'ireo olon-kafa izay hanohy ny fitoriany anefa ny sendika, na ireo olom-panjakana na ireo olon-tsotra hafa izay nitory. Ireo artista hafa mbola maniry ny hitory ity mpanakanto ity ihany koa, dia tsy amin'ny anaran'ny sendika intsony raha te hanao izany fa amin’ny anaran’ny tenany manokana. Milamina izany izao ny fitorian’ny sendikan’ny artista izay anisan’ny maro an’isa tamin’ny mpitory fa ny an’ireo olom-panjakana toa an’ny Depiote avy eny Atsimondrano John Elite sy ny hafa no tsy mbola hay izay ho fanapahan-keviny. Na eo aza anefa ny fisintonana ny fitoriana, dia ny fitsarana no tompon’ny teny farany amin’ity raharaha ity. Anatra ho an’ny mpikirakira tambajotra fesiboky ity toe-javatra iray ity. Toa zary lasa fialam-boly ao anatin’ity teknolojian’ny serasera efa tena be mpampiasa eto amintsika ity mantsy ny resaka fanalam-baraka isan-tsokajiny, saingy efa fantatry ny tsirairay izao fa sazy henjana no miandry ireo minia mandika lalàna satria heloka izany. Tokony ho hentitra ihany koa ny sivana amin’ny fanehoan-kevitra anaty tambajotra fesiboky satria gaboraraka tanteraka izany eto amintsika.
Araka ny vaovao farany omaly hariva dia notanana tao amin'ny polisin'ny BC Anosy ny vadin'i Hiary Rapanoelina , natao fanadihadiana ary fantatra fa hiakatra eo anoloan'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana Anosy anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.